Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toekarena sy sosialy: manana mpiasa 700 mahery ny vondrona Viseo

Toekarena sy sosialy: manana mpiasa 700 mahery ny vondrona Viseo

Nijoro ara-dalàna, ny volana mey teo, ny Fondation Viseo, ao amin’ny vondrona Viseo, ahitana sehatra samihafa, miasa ho an’ny toekarena sy ny sosialy. Mpiasa maro, omaly, notolorana mari-boninahitra sy fankasitrahana noho ny asa vitany eo anivon’ny vondrona. 

Fandraharahana ao anatin’izany vondrona Viseo izany, ohatra, ny IzyRent, ny Elec Dis, ny  Continental Auto, ny Ocean Trade, ny DistriBat, sy ny maro hafa. 700 mahery ny mpiasa ao amin’ity vondrona ity miampy mpiara-miombon’antoka 50 eto an-toerana sy any ivelany.   Koa nanapa-kevitra ny tompon’andraikitra hanao asa sosialy miaraka amin’ireo sehatra efa misy azy ireo, nampisy ny Fondation Viseo. Efa hatramin’ny ela izahay ny nangataka ny fananganana azy ara-dalàna eo anivon’ny fanjakana fa tamin’ny volana mey vao tanteraka », hoy Rakotomamonjy Johnny, miandraikitra ny serasera. « Na izany aza, efa nisy ny fiaraha-miasa tany aloha nataonay tamin’ny mpiara-miombon’antoka hafa », hoy ihany Rakotomamonjy Johnny.

Laharam-pahamehana ny fanabeazana

Manao asa sosialy ho an’ny tombontsoam-bahoaka ny Fondation Viseo, toy ny fanavaozana ny sekoly CEG Ambohimalaza, Ankadikely Ilafy, ny Hopitaly fitsaboana ankizy eo Tsaralalàna. Nanterin’ny ao amin’izany Fondation Viseo fa laharam-pahamehana amin’ny fanampiana ataon’izy ireo ny lafiny fanabeazana. Misy ry zareo misafidy izay tokony hampiana, sekoly na fikambanana. « Ao koa ireo mangataka fanampiana amin’izy ireo. Koa raha mifandraika amin’ny tanjona apetraka izany, aorian’ny fanadihadiana atao, izay mifantoka amin’ny fanabeazana na ny sosialim-bahoaka amin’ny ankapobeny, mitondra fanampiana izahay », hoy Rakotomamonjy Johnny.

Manofana amin’ny fambolena voankazo

Mifandray amin’izay fanampiana ny mponina izay, indrindra fa ny any ambanivohitra, ny tetikasa fanamboarana ranomboankazo HavaMad any amin’ireo kaominina manodidina an’Antananarivo, Imerintsiatosika, Arivonimamo… Ampianarina mamboly, manaraka ny fenitra tokony harahina ireo mpamboly, fepetra ilaina amin’ny fanamboarana  ilay ranomboankazo izay aondrana any ivelany.

Ny ataon’ny orinasa tahaka izao no ilaina eto Madagasikara, mampandroso ny lafiny toekarena sady mijery ny lafiny sosialy. Matetika anefa, tatry ny fanamparaham-pahefana ataon’ny mpitondra sasany izy ireny, tsindry isan-karazany manana endrika kolikoly, ka miverin-dalana ny mpandraharaha.

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.