
Nanome lesona. Nankalazaina mialoha, omaly tetsy Andranomena, ny fetim-pirenena amerikanina. Anisan’ny lohahevitra novoizina tamin’izany ny manodidina ny fifidianana. Mazava ny hafatry ny eo anivon’ny masoivoho, amin’ny alalan’ny mpiandraiki-draharaha, i Stuart Wilson. ” Tsy voatery hitovy hevitra hatrany ny tena mpisakaiza, saingy tsy maintsy hahita fomba hihoarana izany fahasamihafana izany izy ireo, noho ny soa iombonana », hoy izy. Misy dikany sy heviny izany amin’izao isika hiatrika fifidianana izao na koa ny krizy politika, mbola mitoetra. Nanaovany jery todika avy eo ny rehetra nifampizarana sy ny vita niaraka ka nilazany fa azo antoka ny hahamafy orina hatrany ny fiaraha-miombona antoka eo amin’i Etazonia sy i Madagasikara. « Mbola hankalazaintsika mandritra ny taona maro mifandimby izany”, hoy ihany izy. Naranty teny an-toerana, nandritra ny lanonana, ny momba ny fifidianana any Etazonia. Tokony ho fakan-tahaka ho antsika ?
Tsiahivina fa mbola andrasana ny fanendren’ny governemanta Amerikanina ny hisolo ny ambasadaoro teo aloha, i Robert Yamate, efa niala teto amintsika ny volana marsa teo. Anisan’ny hafatrafatra napetrany ny hirosoantsika amin’ny fifidianana mangarahara sy ho ao anatin’ny fitoniana. « Antoka hizorana ho any amin’ny fampandrosoana izany ary hanaingana indray ny toekarena », hoy izy tamin’izany. Mbola mitombina izany fanehoan-keviny izany hatramin’izao.
Synèse R.
Les commentaires sont fermées.