Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

« Mondial 2018 »: lalaon’ny samy henjana avokoa

« Mondial 2018 »: lalaon’ny samy henjana avokoa

Manomboka, anio, ny ny 1/8-n-dalana eo amin’ny “Mondial 2018” any Rosia. Tsy misy ekipa azo amaivanina ireo rehetra tafita amin’ity dingana manaraka ity. Misy ny efa mahazatra ny maro ny anarany fa eo koa ireo atao hoe tsy faheno firy raha amin’ny taranja baolina kitra.

Ny lalao voalohany androany ny hifandonan’i Frantsa sy i Arzantina. Tamin’ny lalao farany  ao amin’ny vondrona nisy avy,  nanao ady sahala tamin’i Danemark 0 sy 0 i Frantsa, ary Arzantina, nandavo an’i Nizeria 2 sy 1. Raha iverenana ireo lalao roa ireo, toa somary latsaka ihany i Frantsa tsy nandresy an’i Danemark. I Arzantina indray, nanamafy ny mpanazatra azy, i Sampaoli, fa  tamin’iny lalao iny vao manomboka ny azy ireo ny tena “Mondial”. Mampanahy ny maro mpanohana an’i Frantsa kosa ny tetikadin’i Didier Deschamps, mpanazatra frantsay. Na ry zareo Frantsay aza, tsy matoky azy loatra ary manahy mafy amin’izao fihaonana amin’i Arzantina izao.

Samy manana mpilalao kintana avy anefa ny roa tonta, matihanina amin’ny “Ligue de Champions” any Eoropa. In-11 nihaona i Arzantina sy i Frantsa, fandresena enina ny azon-dry zareo Amerikanina Tatsimo, indroa monja ny an’ny Frantsay, ary intelo nanao ady sahala. Farany, lalao tsotra natao tany Marseille, resy 2 no ho 0 ny Frantsay, baolina matin’i Messi avokoa ireo.

Lalao faharoa androany ny hifanenjanan’i Uruguay sy i Portiogaly. Ry zareo Portiogey, manana an’i Cristiano Ronaldo, i Ricardo Quaresma; ny andaniny, manana an’i Suarez sy i Edinson Cavani. Hatramin’ny taona 2008, efa nanana ny lazany i Cavani eo amin’ny tanjany sy ny vatany miaraka amin’ny fahaizany. Raha ny tombantombana navoakan’ny gazety maro any ivelany aloha, ho sarotra amin’ny ekipan’i CR7 ny handresy an’i Uruguay.

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.