Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mahajanga: tratra ireo olona telo nisandoka fa manana merkiora

Mahajanga: tratra ireo olona telo nisandoka fa manana merkiora

Natolotra ny fampanoavana ao Mahajanga omaly ka naiditra vonjimaika am-ponja ireo olona telo voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fisolokiana merkiora nampiasana valonan-taratasy marobe norakofana vola ka nanambakana olona ho merkiora. Araka ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny zandary, ireto olona telo tratra ireto miaraka amin’ny namany roa no nanao fisolokiana vola 10 tapitrisa Ar. Nilaza ry zalahy ireto fa manana merkiora ary hamidy 14 tapitrisa Ar. Nandeha àry ny adivarotra ka raikitra fa 10 tapitrisa Ar ny nifanarahan’ireo mpisoloky sy ilay olona hividy ny entana aty Antananarivo, ny 25 jona 2018 lasa teo. Efa nahazoan’ireo mpisoloky vola 2 tapitrisa Ar ireto olona hividy merkiora ireto. Nifanarahana fa hanaovana ny fifanakalozana ao amina lavabato iray eny amoron-dranomasina ao Mahajanga, ny talata 26 jona 2018 teo. Nilaza indray anefa ireo mpisoloky fa omena aloha ny ambim-bola 8 tapitrisa Ar mba hahafahana manao ny fombafomba ao amina lavabato hanaovana ny fifanolorana. Lasan’izy ireo ny vola ka niverina ireo mpisoloky afaka fotoana fohy nanolotra ilay hoe merkiora nofonosina tanaty vola tety ivelany. Rehefa nojerena anefa tsy nisy ilay merkiora fa taratasy fotsy mifono vola no nomen’ireo mpisoloky.

J.C

Les commentaires sont fermées.