
Hotanterahina, ny 19 hatramin’ny 28 jolay izao any Alger, ny « Jeux africains de la Jeunesse 2018» (JAJ). Tafiditra amin’ny andiany fahatelo izany izao. Efa samy vonona sy niomana amin’izany avokoa ireo firenena rehetra handray anjara. Anisan’ny tokony ho mpifaninana amin’izany koa isika. Andrasana ny mety ho isan’ny delegasiona sy ny taranja na ny atleta miaraka amin’ny mpitantana hihazo ny any Alger. Na izany aza, anisan’ny lalao lehibe ho an’ny tanora ny JAJ. Eo aloha ny fiadiana medaly volamena. Fa tafiditra amin’ny fifanintsanana hiakarana amin’ny “Lalao olympika ho an’ny tanora”, hatao any Buenos Aires, Arzantina ny oktobra izao, koa anefa izany. Tompon’ny fanapahan-kevitra momba ny handraisantsika anjara ny minisitera mpiahy.
Tsiahivina fa manokana vola 70 tapitrisa dolara ny governemanta alzerianina ho an’ilay komity mpikarakara ny lalao, hampahomby tanteraka izany. Midika izany fa tsy manao ambanin-javatra ity JAJ ity ireo firenena mpikarakara na ny mpandray anjara rehetra. Efa nandray azy ity ny tany Maraoka sy ny tany Botsoana.
Synèse R.
Les commentaires sont fermées.