
Samy naneho ny heviny sy niantsoantso avokoa ireo vahoaka any amin’ny faritra notsidihin’ny filohan’ny Tetezamita, Rajoelina. Anisan’izany ny any Maroantsetra. Vory lanona ny vahoaka niandry azy.
“Faly amin’ny fahatongavanao eto izahay. Mahavelombolo ny fahatongavanao aty aminay. Ela ny ela niandrasana anao ka tonga ianao. Tia anao ny vahoaka… Porofo izao vahoaka tonga eto izao. Miangavy anao izahay mba hilatsaka hofidina ho filoham-pirenena. Marary izahay mba tsy hilazana hoe miala aina mihitsy. Tsy manana aba izahay hatramin’ny nialan’i Tsiranana. Abanay ianao. Vonona hanohana anao izahay”, hoy ny ankamaroan’ireo vahoaka ao Maroantsetra, ny 28 jona teo. Notsenaina makotrokotroka ny filohan’ny Tetezamita, Rajoelina tany an-toerana. Nomen’ny tangalamena sady filohan’ny fikambanan’ny zokiolona tso-drano ho tonga amin’ny tanjona iriana ny mpanorina ny Mapar. Mazava ny valin-teny. “Tsapako tokoa fa tena tia ahy i Maroantsetra. Tena tiako ianareo. Tsy maintsy mandresy isika ary tsy maintsy ampandresetsika i Madagasikara manoloana ny fahantrana”, hoy izy. Nambarany fa mamokatra sy manan-karena iny faritra iny, saingy tsy mbola misitraka izany ny vahoaka. Nampanantena ny tenany ho amin’ny vahaolana hampandrosoana an’i Madagasikara. « Tsy ianareo eto ihany ny miaina ao anaty haizina fa i Madagasikara iray manotolo. Hitondra hazavana ho anareo aho…”, hoy ihany izy.
Hovahana amin’ny IEM ny olana…
Nihemotra hatrany ny firenena, araka ny fampahatsiahivany. Natsidiny avy hatrany anefa fa hitondra vahaolana maharitra ny IEM. Tanterahiny rehefa ambaran’ny vavany. “Matokia. Tsy hamadika anareo aho. Hataontsika eto Maroantsetra ny fampandrosoana tsy hitan’i Madagasikara tao anatin’ny fotoana maro ary hataontsika ato anatin’ny fotoana fohy izany”, hoy ihany izy. Notanisainy ireo fanamby nambarany ary tanteraka avokoa. Anisan’izany ny lapan’ny Tanàna etsy Analakely, ny trano mora, ny kianja manara-penitra… « Ampio aho mba ahafahako manampy anareo satria mila miray hina isika. Mila miray saina sy fo ary mifanome tanana hahafahako manavotra an’i Madagasikara”, hoy izy. Tsiahivina fa efa nandalo tany Boeny, Sofia ary izao tany Analanjirofo izao ny mpanorina ny IEM, Rajoelina.
Synèse R.
Les commentaires sont fermées.