Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fipoahana herinaratra ? Magazay iray etsy Behoririka nirehitra

Fipoahana herinaratra ? Magazay iray etsy Behoririka nirehitra

Nitrangana haintrano indray tao amin’ny magazay iray ampitan’ny ranomaimbo eny Behoririka, omaly tamin’ny 7 ora hariva. Magazay, mivarotra ireo kojakoja fampiasa amin’ny ordinatera sy imprimante ity nirehitra. Araka ny fanazavan’ireo olona nahita ny zava-nitranga teny an-toerana, dona-tsetroka maintibe no niainga avy ao amin’ilay trano narahina afo. Fotoana fohy taorian’ny firehetana, tonga haingana teny an-toerana ny mpamonjy voina ka nalaky voafehy ihany ny afo ary tsy niitatra. Tsy mbola fantatra mazava ny niantombohan’ny afo, araka ny fanazavana voaray teny an-toerana. Nilaza kosa ny avy amin’ny mpamonjy voina fa ahina ho fipoahana herinaratra no mety ho nahatonga ny afo narahina dona-tsetroka. Niezaka namoaka haingana ny entana ny tompon’ilay magazay ka avotra ny ankamaroan’ny entana. Mailo koa ny tompon’ny magazay mifanila amin’ity nirehitra ity ka namoaka haingana ny entany tao am-pivarotana. Tonga teny an-toerana koa ny polisy nisahana ny fiambenana ilay magazay amin’ny mety hisian’ireo mpanararaotra.

Randria

Les commentaires sont fermées.