Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Begidro – Belo amoron’i Tsiribihina: dahalo efatra maty, roa matin’ny fitsaram-bahoaka

Begidro – Belo amoron’i Tsiribihina: dahalo efatra maty, roa matin’ny fitsaram-bahoaka

Dahalo roa matin’ny fitsaram-bahoaka tao amin’ny kaominina Begidro, distrikan’i Belo amoron’i Tsiribihina, afakomaly…

Nalain’ny fokonolona an-keriny teny am-pelatanan’ny zandary ka niharan’ny fitsaram-bahoaka ireo dahalo roa lahy azo sambo-belona tompon’antoka tamin’ny fanafihana tao Begidro, ny alarobia alina teo. Nitrangana fanafihan-dahalo anjatony nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika tao amin’ny kaominin’i Begidro, distrikan’i Belo amoron’i Tsiribihina, tamin’io fotoana io. Niditra an-keriny tao an-tanàna ireo dahalo tamin’io fotoana io, saingy tsy nanaiky lembenana kosa ireo mponina ao an-tanàna fa niezaka nanohitra ireto malaso nanafika ireto. Raikitra ny fifandonana ka lavon’ny fokonolona sy ny miaramila ny efatra amin’ireo dahalo raha azo sambo-belona kosa ny roa lahy. Olona iray kosa namoy ny ainy. Maro tamin’ireo dahalo no naratra, saingy mbola afa-nitsoaka ihany ry zalahy satria tsy resy tosiky ny fokonolona sy ny miaramila. Araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana, naharitra ora maromaro ny fifandonana tamin’ireo dahalo ireo. Fantatra tamin’ny fanadihadiana ireo dahalo roa lahy tratra fa avy ao amin’ny kaominina roa ao Miandrivazo izy ireo ary nanonona anaran’olona mpiray tsikombakomba amin’izy ireo. Tonga naka ireo dahalo ireo ny zandary, saingy tsy namelan’ny fokonolona fa nalain’ny fokonolona an-keriny teny am-pelatanan’ny zandary ka nanaovan’izy ireo fitsaram-bahoaka. Vokany, matin’ny fitsaram-bahoaka ireto dahalo roa lahy ireto ka nodoran’ny fokonolona, afakomaly ny fatin’izy ireo.

J.C

Les commentaires sont fermées.