
Raikitra izany… Amin’ny 7 novambra ny fifidianana filohan’ny Repoblika, fihodinana voalohany, ary amin’ny 19 desambra ny fihodinana faharoa, araka ny tapaky ny filankevitry ny governemanta teny Mahazoarivo, omaly.
Mametra-pialana 60 andro alohan’ny hanatanterahana ny fifidianana filohan’ny Repoblika ny filoha am-perinasa, raha mirotsa-kofidina, araka ny And. 46 amin’ny lalàmpanorenana. Noho izany, mila mametra-pialana ny 7 septambra ny filoha farafahelany.
Roa volana mahery sisa hijanonany eo amin’ny toerany. Hilamina tanteraka amin’izany ny krizy politika? Ao anatin’izany, ny fitakian’ny eny amin’ny kianjan’ny 13 mey ny fametraham-pialan’ny filoha. Eo koa ny fitakiana ny fanalana ireo minisitra HVM.
Ny fifidianana no hany vahaolana amin’izao
“Tsy azo lalaovina ny raharaham-pirenena, ary sy maintsy raisina ny hevitry ny besinimaro. Lazaiko fa tsy maintsy miroso amin’ny fifidianana isika. Hany no lalana hahazoantsika mamaha ny olana na ny krizy politika amin’izao fotoana izao izany.”, hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian. Nankatoavin’ny Antenimiera roa tonta ny fandaharanasan’ny governemanta na ny politika ankapoben’ny fanjakana (PGE). Midika izany fa laharam-pahamehana ny fifidianana. “Manao antso avo ny tenako mba ho lalana iray hanamafisantsika ny fitoniana politika izany fanolorana ny daty izany ary indrindra hirosoantsika amin’ny tena tokony ho izy amin’ny lalan’ny fifidianana hahazoantsika mamaha ny olana”, hoy izy.
Milalao afo ny governemanta
Araka izany, tsy hahafaly ireo mpanao politika io daty io. Ho an’ny Tim, tokony ho amin’ny taona ho avy ny fifidianana. Mitazona ny 29 novambra kosa ny HVM. Mety ho tahaka izany koa ny iraisam-pirenena. Efa anatin’ny orana ny 7 novambra ka mifanohitra amin’ny didin’ny HCC, indrindra fa ny fihodinana faharoa. Hanaiky izany koa ve anefa ny vahoaka, efa mba manantena fa hifarana ny krizy ? Tsy efa milalao afo ve ny governemanta amin’izany ary larazan’ny fampitoniana ireo mpitarika politika sasany fotsiny ihany io daty io. Andrasana ny ho tohiny…
R.Nd. sy Synèse R.
Les commentaires sont fermées.