Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambatobe: jiolahy tratra teny an-tanimbary

Ambatobe: jiolahy tratra teny an-tanimbary

Nidoboka eny amin’ny fonjan’Antanimora, afakomaly ilay jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana saron’ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’Analamahitsy, ny 27 jona 2018 lasa teo. Araka ny fanazavan’ny polisy, maro ireo olona efa nitondra faisana tamin’ny nafitsoky ny jiolahy mpanendaka amin’iny faritra Ambatobe iny. Tamin’ity indray mitoraka ity, renim-pianakaviana iray no nendahin’ilay jiolahy. Nihiaka niantso vonjy ilay renim-pianakaviana ka raikitra ny fifanenjehana hatreny an-tanimbary. Tonga haingana ihany koa ny polisy ka noraisim-potsiny ilay jiolahy. Simba mihitsy aza ny telefaonina finday an’ilay renim-pianakaviana nangalarin’ilay jiolahy noho ny fifanjevoana. Nanamafy  hatrany ny polisy fa misy ny ezaka ataon’izy ireo amin’ny fanaraha-maso ireny olon-dratsy ireny, saingy mangataka fiaraha-miasa amin’ny vahoaka hatrany izy ireo hahafahana misoroka mialoha ny asa ratsin’izy ireny. Niaiky ny heloka vitany ilay jiolahy nandritra ny famotoran’ny polisy.

J.C

Les commentaires sont fermées.