Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Taorian’ny fety: fakobe ny tetsy Analakely sy Anosy….

Nameno ny tetsy Analakely sy Anosy hatreny Andohalo sy Behoririka, taorian’ny fetin’ny Fahaleovantena, ny fako sy ny loto navelan’ireo mpitsangantsangana sy ny mpijery afomanga. Nameno ny elakela-trano ny fivalanandrano. Ankoatra ny fanadiovana efa fanao isan-kerinandro, nifampitaona sy niara-nientana amin’ireo hery velona rehetra avy eo anivon’ny boriborintany voalohany avokoa ireo mpiara-miasa rehetra avy ao amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra tamin’ny fanadiovana goavana nokarakarain’ny boriborintany voalohany, ny alarobia teo.

Araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny CUA, betsaka ny loto nesorina nandritra ity hetsika goavana ity satria nahafeno fiarabe efatra izay mahazaka efatra taonina ny fako nesorina.
Anisan’ny fanamby lehibe napetraky ny ben’ny Tanàna ny tsy maintsy hanadiovana ny tanàna. Matoa madio ny tanàna, misy ny ezaka ataon’ireo mpiasan’ny kaominina. Nanentana ireo mponina sy ireo rehetra mila ravinahitra eto an-dRenivohitra ny kaominina, samy hanaja sy hanome lanja ny fahadiovana. “Samy tompon’andraikitra amin’izany ny tsirairay”, hoy ny lefitra voalohany ny ben’ny Tanànan’Antananarivo. Mbola hitohy sy hihamafy hatrany any amin’ireo faritra hafa eto an-dRenivohtra ny hetsika fanadiovana goavana toy izao.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.