Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fitantanana: tsy tokony ho nisintahan’ny fanjakana ny fitaterana

Fitantanana: tsy tokony ho nisintahan’ny fanjakana ny fitaterana

Voaporofo efa hatramin’ny ela fa sehatra iray lehibe tsy tokony ho nisintahan’ny fanjakana ny fitateram-bahoaka amina tanàn-dehibe sy ny manodidina. Tsy zakan’ny tetibolan’ny fanjakana ny fanampiana ireo kaoperativa mpitatitra efa an-jatony miaraka amin’ny fiara anarivony,  raha ny eto Antananarivo sy ny manodidina fotsiny. Mbola hafa ny any amin’ny faritra, manana ny azy ihany koa.

Nanomboka ny fiandohan’ny taona 90 ny fisintahan’ny fanjakana tamina sehatra isan-karazany, anisan’izany ny fitateram-bahoaka. Tsaroan’ny maro ny Fibata teto Antananarivo Renivohitra. Tsy izany mihitsy akory no ratsy fa ny fitantanana no tsy nanjary, niteraka fatiantoka goavana. Noteren’ny mpamatsy vola amin’izay ny fanjakana nanao ny fisintahana ka mizaka ny vokany hatramin’izao ny vahoaka, raha eo amin’ny fitaterana.

Amin’izao taonjato faha-21 izao, maro ireo firenena afrikanina, toa an’i Etiopia, eo am-pelatanan’ny fanjakana ny fitateram-bahoaka ary tsy mitsahatra mivoatra. Ny eto an-toerana, ny fanomezana azy ny tsy miankina, ny fanjakana tsy mahatanteraka ny fampanantenany, ny mpitatitra manao ny ataony,  ary mizaka ny vokany ny vahoaka.

Tsy ny fitaterana ihany fa maro ireo orinasa noterena nisintahan’ny fanjakana. Ohatra vitsivitsy : ny Roso, ny Sice, ny Coroi, ny Zeren Toamasina, ny Zema Amboasary, ny Toly Toliara, ny Solima,  sns. Nanana tetikasa tokony ho nampandroso an’i Madagasikara daholo ireny, saingy mbola mitohy hatramin’izao ny fitantanana gaboraraka amina sehatra maro.

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.