Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

« Zanaka malala »: nampihetsipo ny zava-bitan’ny ankizy

« Zanaka malala »: nampihetsipo ny zava-bitan’ny ankizy

Nakamban’ny « Lehilahy Midera » avy ao amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga sy ny Havatsa-Upem ary ireo ankizy tinaizan’ny foibe Topaza tao anatina fampisehoana iray, omaly, ny fanatratrarana tanjona roa. Nampihetsi-po ny rehetra ny nahita ny fihetsika sy nandre ny feon’ireto ankizy ireto ka nahatonga ny fangatahana ny hamerenana ireo hira nokaloin’izy ireo. Nitory sy naneho ary nampatsiahy tamin’ny raiamandreny isan-tsokajiny tonga teny an-toerana (minisitra, mpanabe sy mpitaiza, mpampianatra, sns) ny fananan’izy ireo (zaza sy ankizy) ny zony. Fihetsika sy feo zary antso ho an’ny rehetra mba hanajana ny zon’ny ankizy. Lafiny kolontsaina, nampatsiahy ireo hira nalaina tamin’ny fihirana FFPM, izay mitady ho hadino ny fisiany, noho ny tsy fihirana intsony izany ankehitriny, ny « Zanaka malala ».

…Nivantana kokoa tany amin’ny ray aman-dreny sy ny raiamandreny (mpitondra isan-tsokajiny) ireo hafatra (hira, tononkalo, fihetsika…) nampitain’ireo zanaka malala… Mba tsy ho sanatria ho antso atao an-tany efitra ny an’ireto ankizy ireto !

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.