Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsarasaotra-Ivato: ho vita amin’ny septambra ny lalana

Hanomboka ny asa famitana ny lalana miainga eo Tsarasaotra hatreny Ivato, mirefy 11 km. Efa hita ny vola 184 miliara Ar indramina amin’ny banky sinoa Exim-bank, ary hanao ny asa ny orinasa China Harbour Engineering Company (CHEC), heverina ho vita amin’ny volana septambra ho avy izao. Hametrahana takela-by famantarana amin’ny fifamoivoizana ity lalana ity sady hasiana jiro manazava ihany koa.

Tsiahivina fa niato ny fanamboarana ity lalana ity taorian’ny fahavitan’ny fivoriamben’ny Frankofonia, ny taona 2017 teo. Sosoa iray ihany no vita ary efa simba sahady satria tratry ny orambe nandritra ny fahavaratra.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.