Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toerana fampianarana: etsy Ankadivato ny Trano kolotoraly malagasy

Toerana fampianarana: etsy Ankadivato ny Trano kolotoraly malagasy

Niainga teny Ambodivona, nifindra tetsy Soarano… Ankehitriny nahazo toeram-pampianarana vaovao ny Trano kolotoraly malagasy (TKM). Ny asabotsy 23 jona teo no nampahafantarana izany teny Ankadivato. « Ampindramin’ireo mpivady tsara sitrapo ny Trano kolotoraly malagasy ity efitrano ity ho fanitarana ny asa fampianarana sahaniny », hoy ny filohan’ny TKM, Randrianjatovo Henri. Niara-niombom-peo ny mpampindrana sy ny notolorana fa zava-dehibe ny fampahafantarana indray ny soatoavina malagasy sy ireo eken’izao tontolo izao ho fahendrena. Ireo rahateo ny anisan’ny antom-pisian’ny TKM.

Fantatra fa mitohy hatrany ny fifampahalalana sy fifampizarana ary fifampianarana ireo soatoavina ireo ao amin’ny TKM. Anisan’ireny ny fanandroana, ny tontolon’ny zavamaniry, sns. « Efa eo ampandaminana ny hisian’ny velakevitra miompana amina lohahevitra voafantina, eto amin’ity efitrano ity », hoy ny filohan’ny TKM.

HaRy Razafindrakoto

 

Les commentaires sont fermées.