Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Talatamaty: lehilahy iray maty voahitsaky ny taxi-be

Notetezin’ny kodiarana ny vatan’ilay lehilahy 30 taona monina eny amin’ny fokontany Faralaza, kaominina ambanivohitra Talatamaty voahitsaky ny taxi-be teny Mahaibahoaka Talatamaty, ny zoma tamin’ny 8 ora alina teo ity. Maty tsy tra-drano ilay niharam-boina. Teo amin’ny RN 52, PK O + 400 km, Mahaibahoaka, kaominina ambanivohitra Talatamaty no nitranga ny loza. Araka ny fanazavan’ny zandary, taxi-be ao amin’ny kaoperativa Fifiabe ity namoa-doza nahafaty olona ity. Nilaza kosa anefa ireo olona teo amin’ny manodidina ny toerana nitrangan’ny loza fa nandeha mafy ilay fiara tamin’io fotoana io, kanjo niampita tampoka ilay niharam-boina ka voadona ary voahitsaka avy hatrany. Nandriaka eran’ny arabe ny ra. Notetezin’ny kodiaran’ny fiara ny vatan’ilay niharam-boina. Fotoana fohy taorian’ny nitrangan’ny loza, tonga teny an-toerana nanao fanadihadiana ny zandary avy ao amin’ny borigadin’i Talatamaty. Natolotra ny fianakaviany kosa ny fatin’ilay niharam-boina rehefa avy nentina teny amin’ny hopitaly Anosiala Ambohidratrimo. Mitohy ny famotorana ataon’ny zandary.

Fa taksiborosy iray koa no nivoaka ny arabe tao Marozevo RN 2, afakomaly. Tsy nisy ny naratra na aina nafoy fa avotra avokoa ny mpandeha rehetra. Olana eo amin’ny fanalahidin’ny fiara no nahatonga ny olana, raha ny fanazavana voaray.

J.C

Les commentaires sont fermées.