Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – “THB Champion’s league”: noresen’ny Cnaps 2 no ho 0 ny Tam

Kitra – “THB Champion’s league”: noresen’ny Cnaps 2 no ho 0 ny Tam

Tsara fanombohana avy hatrany ho amin’ny tompondakan’i Madagasikara. Lavon’ny Cnaps Sports avy any Itasy, 2 no ho O, ny Tam Port-Bergé amin’ny dingana voalohany fiadiana ny “THB Champion’s league”, ny zoma teo. Ankoatra izany , nomontsanin’ny Ajesaia Bongolava  tao amin’ny kianjan’i Tsiroanomandidy, 6 no ho 2, ny FCA Alaotra Mangoro. Nirava sahala 2 no ho 2 ny fihaonana teo amin’ny  MTM Melaky sy ny Racing Soma Beach. Mazava  koa  ny nandresen’ny Fosa  Jr  Boeny, 3 no ho 1 ny FC Maeva. Nirava sahala, 2 no ho 2, kosa  ny fifanandrinan’ny Metal  Diana  sy ny Iharana. Manampy ireo ny nandresen’ny  Jet Mada Itasy, 2 no ho O, ny FC Rabaza  ary ny  Fils Elephants,  resin’ny 3FB  2 no ho  1.

Nitolefika tanteraka 0 no ho 4, kosa ny FC Olympique  Menabe nanoloana ny FC Vakinankaratra. Tamin’ny  isa tery, 2 no  ho 1, ny nandresen’ny Elgeco Plus ny FC AZ. Etsy andaniny, isa tokana, 1 no ho 0, ny  nanilihan’ny VFM ny FC Manjaka.

Synèse R.  

Les commentaires sont fermées.