Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

« Fetin’ny maman’ty »: nangatsiaka ny andro fa ny hehy, nafana

« Fetin’ny maman’ty »: nangatsiaka ny andro fa ny hehy, nafana

Ao anatin’ny volon’andro mangatsiaka tanteraka ny eto an-dRenivohitra. Na tsy feno hipoka aza ny tetsy Antsahamanitra, tsapa avy hatrany ilay hafanana nateraky ny hehy nomen’ireo mpanakanto sy mpampihomehy avy eny an-tsehatra. Fifandimbiasana teo amin-dry Honorat, Gothleeb, i Francis Turbo, ny Groupe Tsiky Tsidika, sns, no niteraka azy ireny.

Tsy nivaona tamin’ny nahalalana azy rahateo ireto mpampihomehy ireto,  hany ka raha vao miainga any fotsiny, ohatra, ilay fihetsika toa miandry sy misaina kely fanaon’i Goth, efa ripaky ny hehy ny mpankafy ny « Fetin’ny maman’ty ».

Tsikaritra ihany koa anefa fa mbola tena manana ny maha izy azy ireto mpanao hatsikana ireto, raha eo amin’ny fomba fisehoana an-tsehatra. Hain’izy ireo tsirairay ny mampifantoka hatrany ny mpijery any amin’ny zavatra ataony na ao anatin’ny fihomehezana tanteraka aza.

Miandry ny andiany manaraka ny rehetra !

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.