Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fetim-pirenena: nahazo tohana ny rehetra

Fetim-pirenena: nahazo tohana  ny rehetra

Tsy diso anjara amin’izao fanamarihana ny  faha-58  taona niverenan’ny Fahaleovantena izao ireo sokajin’olona samihafa eto amin’ny firenena. Nahazo tohana sy fanampiana avokoa izy ireo noho ny  hetsika  nataon’ny fitondrana sy ny vadin’ny filoham-pirenena  ary ny minisiteran’ny Mponina. Anisan’izany ny didim-poitra  faobe  ho an’ny ankizy 750 avy amin’ny boriborintany enina. Nomena kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro  (PPN) toy ny vary 60 kitapo  sy  tsaramaso 20 kitapo  ary kilalao  sy menaka  750 tavoahangy  izy ireo miaraka amin’ny  ray  amandreniny avy.  Tahaka izany  koa ireo zazalahy 250  any Itasy,  narahina fanomezana PPN  : vary  25 gony sy menaka  250 tavoahangy ary tsaramaso 5 kitapo. Ho an’ny distrikan’Atsimondrano kosa,  2 000  ireo  nahazo PPN :  vary 120 gony sy omby enina ary harendrina.  Tahaka izany koa  ny eny Avaradrano, nahitana vary 60 kitapo sy omby efatra ny azy ireo ny ho nofon-kena mitam-pihavanana. Niarahan’ny rehetra  nihinana avokoa izany, ankoatra ny nentina nody.

Nofon-kena mitam-pihavanana

500 isaky ny boriborintany enina ireo nahazo fanomezana amin’izao fetim-pirenena izao, ho an’ny eto an-dRenivohitra.  Nahitana vary 120 kitapo avy  sy omby 12. Nizarana harendrina avokoa ny ankizy rehetra.

Ankoatra izany,  notolorana bodofotsy  1 333 ireo  bekotromaroholatra. Nanampy izany ny PPN, toy  ny  vary sy ny menaka… Hatrany Mahajanga ny hetsika natao  ka nahazo tohana ireo olona 2  000 mahery. Anisan’izany ny  vary  120 gony  sy omby enina  ary menaka 167 tavoahangy, narahina  harendrina.  Manampy izany ny mpino silamo eto Antananarivo sy  any Mahajanga, samy nahazo fanohanana avokoa  noho ny  fetim-pirenena sy ny  fifaranan’ny  ramadany.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.