Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Zavamaneno malagasy : tsy ampy ny fanelezana

Zavamaneno malagasy  : tsy ampy ny fanelezana

Tafiditra ao anatin’ny « Fetin’ny mozika », mitohy etsy amin’ny AFT Andavamamba, hatrany ny fampirantiana ireo zavamaneno malagasy. Olana maromaro no nambaran’ny mpanamboatra, fa anisan’ny nisongadina amin’ny zava-manjo azy ireo ny tsy fahampian’ny fanelezana. « Toy ny namboarina ho an’ny vahiny ihany ny zavatra ataonay, noho ny tsy fahampian’io fanelezana io », hoy ry zareo. Tsena tokana, toy ny etsy amin’ny sampanana Ambohitrimanjaka, no ahitana ny zavamaneno malagasy hany ka lasa toy ny vakoka ny fiheverana sy ny fitsaran’ny Malagasy ny zavamanenony.

Anisan’ny vahaolana naroson-dry zareo mpanao zavamaneno malagasy ny hanokafana tsena vaovao ho an-dry zareo. Ampiarahina amina fepetra samihafa izany, raha ny fanazavan’izy ireo. Iray amin’ireny ny fampiroboroboana ny fampianarana zavamaneno malagasy. Tokony hanana foibe manokana hoenti-mampivelatra ny zavamaneno malagasy i Madagasikara, raha ny hetahetan’izy ireo. Tsy iray na roa io foibe io satria samy manana ireo zavamaneno mampiavaka azy ny faritra tsirairay. Harena ho an’i Madagasikara ny fananana izany satria hisintona mpizahatany maro.

HaRy Razafindrakoto

 

Les commentaires sont fermées.