Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Vonoan’olona tao Morondava : haneho fihetsika am-panginana ireo mpitondra mpizahatany

Vonoan’olona tao Morondava  : haneho fihetsika am-panginana ireo mpitondra mpizahatany

 Manoloana ilay fanafihan-dahalo nahafatesana mpamily mpitondra mpizahatany tao Mahabo Morondava, ny alahady teo, hisy ny fiaraha-mientan’ireo mpandraharaha mpisehatra ao anatin’ny fandraharahana momba ny fizahatany anio eny amin’ny lalana By-Pass ho fanoherana sy tsy fankasitrahana ny tsy fandriampahalemana. Higadona eto Antananarivo anio, araka izany, ny vatana mangatsiakan’Andriantsoa Richard Hery avy any Mahabo rehefa lavon’ny dahalo tao atsinanan’i Mahabo sy Ankilizato, 55 km mialoha ny hidirana an’i Morondava.

Nikasa haka vahiny, mpizahatany any Morondava ity raim-pianakaviana ity, kanjo izao niharan’ny fanafihan-dahalo ka niafara tamin’ny famoizany ny ainy. Hanao hetsika anaty filaminana sy fanginana, araka izany, ireo mpampiasa fiara sy mpitondra mpizahatany toy ity raim-pianakaviana namoy ny ainy ity ho fanehoan’izy ireo ny tsy fankasitrahany ny tsy fandriampahalemana.

Tsy ahitam-bahaolana mihitsy ity tsy fandriampahalemana ity. Fanafihan-dahalo tsy misy farany no mitranga eny amin’ny lalam-pirenena, manginy fotsiny ireo mpitondra mpizahatany. Tsiahivina fa bala roa no niantefa tao amin’ny lohan’ilay niharam-boina raha iray kosa ny tao amin’ny lamosiny.

Randria

Les commentaires sont fermées.