Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toby fiantsonana vaovao : tsy manaiky ny hamindrana azy ny mpitatitra

Toby fiantsonana vaovao  : tsy manaiky ny hamindrana azy ny mpitatitra

 Nitokona tsy niasa ny mpitatitra eny Fasan’ny Karana, ny alatsinainy 18 jona teo, ho an’ireo mampiasa ny lalam-pirenena fahafito, mianatsimo (RN 7). Toherin’izy ireo ny hamindrana ny fiantsonany ho eny amin’ny toby vaovao eny Ambohimanambola.

Nanao hetsika toy izao koa ny mpitatitra etsy Ambodivona, ny herinadro lasa teo, tsy manaiky ny hamindrana ny mpampiasa ny lalampirenena faharoa (RN 2) ho eny amin’ny toby vaovao eny Ambohimanambola ihany koa.

Tsy mazava ny antony handavany ity famindran-toerana ity. Ho an’ireo mitoby eny Fasan’ny Karana, mampiasa ny RN 7, lazain’izy ireo ho maloto, tsy misy rano madio fisotro ny eny Ambohimanambola, izay toerana vaovao, tsy maintsy ahitana ny fotodrafitrasa manara-penitra samihafa, toy ny famatsian-drano fisotro, toeram-pivoahana sy fidiovana, fivoahan’ny loto, sns. Ho an’ny etsy Ambodivona indray, milaza ireo mpitatitra fa tsy mahazatra sy tsy mahavantana ny mpandehany ny mankeny Ambohimanambola.

Zatra gaboraraka

Raha raisina ireo antony roa ireo, lafiny tsy mitombina satria tsy maintsy misy hatrany ny zavatra tsy mahazatra, sy zava-baovao rehefa miova ny fandaminana.

Azo sokajina ho karazana ao anatin’ny rafitra tsy maharitra tokoa ny governemanta misy, ahitana ny ankolafy samihafa. Tsy mahagaga raha miseho etsy sy eroa ny fitakiana maro, endriky ny fanoherana, tsy mankato ny fitantanan’ny mpitondra. Misy tsy tia fandaminana sy rafitra vaovao koa ny sasany amin’ny Malagasy, toy ny fitiavana ny gaboraraka sy ny fepetra samihafa.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.