Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toamasina : saron’ ny Fip ny mpanendaka sy ny antsibe

Toamasina  : saron’ ny Fip ny mpanendaka sy ny antsibe

Miara-miasa akaiky ny fokonolona sy ny Fip amin’ny ady amin’ny asan-jiolahy any Toamasina. Vokany tratran’ny vela-pandriky ny polisin’ny Fip indray ry Léon, 20 taona, sy  i Omar 20 taona, samy mponina ao Tanambao Verrerie, Pont Mainty avokoa izy roa lahy ireto. Ny alin’ny alatsinainy teo ny nahatrarana azy ireo. Tsy tao amin’ ity faritra fiavian’ izy ireo ity no manao ny asa ratsiny ireo jiolahy ireo fa tany amin’ny manodidina ny Dépot fahatelo sy fahefatra, tany Canada ary hatrany Anjoma. Lasibatr’ ireto jiolahy iteto hatrany  ny olona vao mivoaka ny trano fandihizana  eo amin’ny barrière Anjoma. Anisan’izany ilay zandary voaendaka moto sy mpivarotena iray voadaroka sy voaendaka ihany koa. Lasa avokoa ny finday, ny  firavaka ary ny  vola rehetra voaangona tao amin’ny trano fandihizana.

Satria efa sokajin’ny fokonolona fa lasa faritra mena ireo voalaza etsy ambony ireo,

nametraka paik’ ady niarahana tamin’ny polisin’ny Fip izy ireo ary izao nahitam-bokany izao, ny alin’ny alatsinainy 18 jona teo. Nandritra ny fisamboran’ny polisy ireto jiolahy mpanendaka sy mpamono olona ireto, mbola tratra tany amin izy ireo ny antsibe fandrahonana ny olona ho lasibatra. Ny iray tamin ‘ireo antsy, mbola hita nihosin-drà, nandritra ny fisamborana.

Sajo sy Yves S.

Les commentaires sont fermées.