
Nitohana tanteraka ny fifamoivoizana eny Anosy, Ampefiloha, Ambohidahy, Antaninarenina noho ny diabe sy hetsika notarihin’ireo sendikà notronin’ny depiote Tim, omaly. Sahirana ireo nampiasa lalana na koa ireo nikarakara taratasy teny anivon’ny minisitera.
Etsy andaniny, na teny an-toerana amin’ireny faritra ireny aza ny mpitandro filaminana avy amin’ny Emmo/Reg, tsy afa-nanoatra noho ny hamaroan’ireo vahoaka. Fitakiana sendikaly rahateo ny nataon’izy ireo.
Fanesorana amin’ny sezany ny minisitra HVM
Tsy mijanona eo ihany anefa izany fa notakin’izy ireo koa ny hanesorana amin’ny sezany ireo minisitra HVM. Manampy trotraka izany ny antsojay sy ny faneriterena na koa tsindry hazolena mihatra amin’ny mpiasa. Eo koa ny fitakiana ny tambiny samihafa tsy voaloan’ny fanjakana.
Nisintaka niala ny eo anivon’ny Mapar
Anisan’ny nanaovan’izy ireo be fiavy ny eo anivon’ny minisiteran’ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra. Ny minisiteran’ny Vola sy ny fitantanam-bola. Nihazo ny minisiteran’ny Fahasalamana ary avy eo hatrany Anosy, eny amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana. Hitohy anio, indray ny hetsika etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey. Anisan’ny paikady sy stratejian’ny mpitarika ny tsy filazana mialoha ny toerana na koa ny lalana izorana rehefa manao diabe tahaka izao.
Tsiahivina fa efa nisintaka tsy miaraka amin’ireo vahoaka mpitolona sy ny sendikà ary ny depiote Tim intsony ny avy amin’ny Mapar.
Ho tonga hatraiza izao hetsika fitakiana ny fialan’ny minisitra HVM izao ?
Randria
Les commentaires sont fermées.