Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

“Mondial 2018” : ekipa afrikanina nahita fandresena voalohany i Senegaly

“Mondial 2018”  : ekipa afrikanina nahita fandresena voalohany i Senegaly

I Senegaly ihany no Afrikanina amin’ireo ekipa dimy nahita fandresena amin’ny lalao voalohany amin’izao “Mondial 2018” any Rosia izao, omaly. Ao amin’ny vondrona  H ny misy azy, lavony tamin’ny isa 2 no ho 1 i Pologne. Baolina voalohany, dakan’i Thiago Rangei, voadonan’i Cianek ary tafiditra tao amin’ny aratony ihany. Teo amin’ny minitra faha-37 izany. Baolina faharoa, vitan’i M’Baye Niang, minitra faha-60. Nahita baolina iray ny Poloney, i Grzegorz K., minitra faha-86. Nalalaka tsara izy nampiditra ny baolina. Tsara ho fantatra fa tsy misy milalao ao amin’ny taniny ireo mpilalao senegaley ireo na iray aza fa any Eoropa ny maro.

Saingy hatramin’izao,  resy avokoa ireo ekipa afrikanina efatra tamin’ny lalao voalohany. Ao amin’ny vondrona A, i Egypta, lavon’i Urugay tamin’ny minitra farany, 1 no ho 0, ny 15 jona. Tsy afa-nilalao  i Mohamed Salah, mpilalaon’ny Liverpool, noho ny ratra nahazo azy nandritra ny fiadiana ny “Ligue des champions” farany teo. Tsy maintsy mahersy an’i Rosia i Egypta amin’ny lalao faharoa atrehiny raha tsy tiany hifarana eo amin’ny fifanintsanana ao amin’ny vondrona ,misy azy ny fandraisany anjara.

Isa 1 no  ho  0 toy izany koa ny nandavoan’Iran an’i Maraoka, ao amin’ny vondrona B ; ny 15 jona.Tsy nahafaty baolina mihitsy ry zareo Maraokanina na nahita fanafihana betsaka ihany aza nandritra ny 45 mn indroa.

Tsy nahita irika tamin’i Croatie kosa i Nizeria, resy 2 no ho 0, nandritra  nifandonan’ny roa tonta, ny 17 jona,  Namono tena ilay Nizerianina,i Etebo, teo amin’ny minitra faha-31, ary nahazo penalty ry zareo Croatie teo amin’ny minitra faha-70. Tsy nisy nahafaty baolina mihitsy izany ireo ekipa afrikanina ireo.

Tonizia indray resin’i Anglisy tamin’ny isa 2 no ho 1, ny 18 jona.  Nahita baolina voalohany ry zareo Anglisy teo amin’ny minitra faha- 11. Nosahalain’i Tonizia izany teo amin’ny minisitra faha-35, matin’i Ferjani Sassi. Saingy tany amin’ny minitra 90+1 tao amin’ny fotoana fanampiny ny nahitan-dry zareo Anglisy ny baolina faharoa matiny. I Harry Kane, kapitenin’ny ekipan’ny Angletera no nahafaty ireo baolina roa ireo. Somary naharera-tsaina an-dry Tonizianina ihany ny tsy fahafahan’ny mpiandry haratony nilalao raha vao nanomboka kely monja ny lalao.

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.