Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Manohy fitakiana ny mpampianatra : tsy hisy ny adina fanatanjahantena ho an’ny bakalorea

Manohy fitakiana ny mpampianatra  : tsy hisy ny adina fanatanjahantena ho an’ny bakalorea

 Ratsy fanombohana sahady ny fanadinana bakalorea, manohy ny fitakiany ny mpampianatra ka tsy ho tanteraka ny adina fanatanjahantena araka ny fanambarany. 

Nanao fanambarana ny fikambanan’ny mpampianatra, mpanadina sy ireo lehiben’ny foibem-panadinana ny taranja fanatanjahantena eto Antananarivo sy ny sendikàn’ny mpampianatra io taranja io fa tsy hampanao fanadinana bakalorea ho an’ny taranja fanatanjahantena izy ireo raha tsy voavaly avokoa ny fitakiany. Mifampiankina ny asam-panabeazana ary manohana ny hetsiky ny sendikàn’ny mpanabe izy ireo satria vondrona iray ihany, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra ao amin’ny sendikàn’ny mpampianatra ny taranja fanatanjahantena (Speps), omaly. Miandry ny « vacation » mbola trosa ho an’ny fanadinana teo aloha izy ireo ary mitaky ny hametrahana sampandraharaha iray hisahana ny taranja fanatanjahantena manokana ao anatin’ny minisiteran’ny Fanabeazana satria misahana zavatra betsaka toy ny fanatanjahantena an-tsekoly, tanterahana isan-taona, manerana ny Nosy.

Ny asabotsy ho avy izao no tokony hiroso amin’ny fanadinana amin’ny taranja lomano ny mpiadina amin’ny bakalorea nefa tsy mbola nandefa taratasy fiantsoana ny tomponandraikitra hatramin’izao. Ny 21 septambra kosa ny adina an-tsoratra ho an’ny taranja fanatanjahantena. Iray volana mialoha ny adina an-tsoratra no tanterahina ny eny an-kianja, araka ny lalàna mipetraka.

Ho an’ny eto Antananarivo, tsy mbola tontosa ny adina fanatanjahantena ho an’ny BEPC, izao efa mandrangaranga hanohy ny fitokonana izao indray ho an’ny bakalorea ny tomponandraikitra samihafa.

Nanao filaharambe ny mpampianatra mpanao fitakiana nitondra sora-baventy niainga avy teo Antanimbarinandriana nihazo ny minisiteran’ny Fanabeazana, omaly maraina.

Vonjy A.            

Les commentaires sont fermées.