
Mitohy ny asa fampandrosoana ao amin’ny kaominina Masindray, Avaradrano. “Nahafahana manome ny tamberin’andraikitra ho an’ny vahoaka ny fitantanana mangarahara sy tsara tantana”, hoy ny ben’ny Tanàna, Andriambelosoa Heriniaina. Nohitsiny fa tsy miandry ny fanjakana, tsy hita nandritra ny efa-taona ny fampandrosoana tahaka ny hanamboaran’izy ireo ny lalana 6 km.
Tsy natao laharam-pahamehana ny fampandrosoana eny ifotony tahaka izao tamin’ny fe-potoam-piasan’ny filoha Rajaonarimampianina. Anisan’izany ny lalana eny anivon’ny kaominina. Tsy afa-kiandry izany ary nandray ny andraikiny manoloana ny tsy fahamatorana sy tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra ny kaominina Masindray. Miantoka ny famoahan’ny tantsaha ireo vokatra ny fahavitan’ny lalana. Tokony ho fakan-tahaky ny mpitondra koa. Mametraka vina mijery lavitra ny mpitantana eny ifotony. Tsy vitan’izany fa itokisan’ny mpiara-miombona antoka ny fametrahana ny mangarahara sy ny fahaiza-mitantana tahaka izao.
Synèse R.
Les commentaires sont fermées.