Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Japana 2 – Kolombia 1 : tratran’ny “sazy telo” ny Kolombianina

Japana 2 – Kolombia 1  : tratran’ny “sazy telo” ny Kolombianina

Betsaka ny tsy ampoizina amin’ity « Mondial 2018 » ity. Ry zareo  Japoney malaza amin’ny taranjan’olon-tokana, mahavita ny tsy vitan’ny hafa eo amin’ny baolina kitra. Ao amin’ny vondrona H, lalao voalohany nihaonany tamin’i Kolombia. Resin-dry zareo Japoney tamin’ny isa 2 no ho 1 ny Kolombianina. Baolina voalohany matin’ny Japoney ny penalty teo amin’ny minitra faha-6 ; karatra mena nomena ilay mpilalao kolombianina, i Carlos Alberto Moreno. Io ny karatra mena voalohany amin’izao “Mondial 2018” izao ; ary nandaka ilay penalty i Shinji Kagawa.

“Sazy telo” ny filaza izany nihatra tamin’i Kolombianina izany : ny penalty, ny baolina maty, ary ny karatra mena. Sahala ny lalao teo amin’ny minitra faha-39. Io isa 1 sy 1 io ny nisarahan’ny roa tonta tamin’ny fidirana voalohany. Minitra faha-73, nanantombo ny Japoney, baolina tafiditr’i Yuya Osako. Niezaka nitady sahala ihany ny Kolombianina, saingy tsy nahita. Na ny nilalao 10 teo ambonin’ny kianja aza ny Kolombianina, nifandanja ihany ny fifanafihana.

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.