Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fampandrosoana eny ifotony : nanamboatra lalana ny Malagasy miara-miainga

Fampandrosoana eny ifotony  : nanamboatra lalana ny Malagasy miara-miainga

Tsy be resaka. Nanamboatra  lalana eny amin’ny kaominina  Ankadinandriana ny eo anivon’ny antoko Malagasy miara-miainga. Tafiditra amin’ny  fampandrosoana eny ifotony, anisan’ny vinan’ny antoko izany.

 Mirefy 37 km  ny lalana  namboarina ao amin’ity kaominina ity, vokatry ny fifanomezan-tanan’ny rehetra. Noporofoin’ity antoko naorin’Andrianainarivelo Hajo ity  fa tsy misy tsy vita rehefa misy ny finiavana sy ny fitiavana.  Nisedra olana ny mponina  sy ny tantsaha noho ny  fahasarotan’ny lalana sy ny fahasimbany,  nandritra ny taona maro. Tsy nohenoin’ny  fanjakana ny hetaheta sy ny fitarainan’ny mponina.  Tsy  nitazam-potsiny anefa ny antoko Malagasy miara-miainga fa nandray ny andraikiny hanamaivana ireo rehetra mpampiasa lalana.  “Mahazo tombontsoa ny  rehetra  amin’ny fahavitan’izao lalana izao.  Na mivantana io na ankolaka. Tokony ho andraikitry ny fitondram-panjakana ny tahaka  izao, saingy tsy miandry ny hafa mitavozavoza amin’ny fampandrosoana isika”, hoy Andrianainarivelo Hajo.

Hihatsara ny fiharian’ireo mponina ao Ankadinandriana aorian’izao fahavitan’ny lalana izao.

Nanome  lesona  ho an’ny mpitondra

Nankasitraka izao fandraisan’andraikitra izao ireo tantsaha sy mponina eny an-toerana. “Lesona ho an’ny fitondram-panjakana ny tahaka izao” hoy izy ireo.

Tsiahivina fa efa asa fanaon’ny antoko ny hetsika tahaka  izao  eny anivon’ny kaominina. Anisan’izany ny namahana olana ny  fampidiran-drano ho an’ny tanimbarin’ ny tantsaha tamin’ny fotoan’ny maintany ireny.  Nampitombo  ny voka-bary izany ary nahafaly  ny tantsaha. Eo  koa  ireo  asa sosialy samihafa tanterahin’ireo sampan’ny antoko, toy ny vehivavy (VMMM)  amin’ny ady amin’ny  habadoana,  ny fanamaivana ny fampidirana  mpianatra any an-tsekoly amin’ny fivarotana fitaovam-pianarana…  Tahaka izany koa ny tanora (TMMM) eo amin’ny fanohanana ny mpianatra, toy ny eny anivon’ny oniversite.

 Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.