Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Efa nigadra 10 taona … : voasambotry ilay lehilahy nisandoka ho mpitsara

Efa nigadra 10 taona …  : voasambotry ilay lehilahy nisandoka ho mpitsara

 Nidoboka am-ponja ny zoma lasa teo ilay lehilahy nisandoka ho mpitsara, saron’ny polisy misahana ny heloka bevava, sakelika faharoa, ny alakamisy 14 jona 2018 teny amin’ny faritra Anosy…

 Niharan’ny fisolokiana nataon’ity lehilahy nisandoka ho mpitsara ity ny olona iray nanan-draharaha teny amin’ny fitsarana. Araka ny fanazavan’ilay niharan’ny fisolokiana nandritra ny fanadihadian’ny polisy, tonga nanatona azy ny lehilahy iray nilaza fa Jean Luc ny anarany ary mpitsara ao amin’ny fitsarana Anosy ny asany. Nilaza ity mpitsara sandoka ity fa mahavita mikarakara ny raharahan’ireto olona ireto, saingy mila vola ho tambin’izany. Niaiky ny fandresen-dahatra nataony tokoa ireto nanan-draharaha tao amin’ny fitsarana ka nanome vola 5 hetsy Ar aloha araka ny filazan’izy ireo hikarohana ilay antontan-taratasy ao amin’ny fitsarana. Andro vitsy taorian’izay, niantso azy ireo indray ilay nisandoka ho mpitsara ka nilaza fa mila vola 2 400 000 Ar dia milamina tanteraka ny raharaha. Niahiahy noho izany ireo voasoloky ka nanatona tompon’andraikitra iray eo anivon’ny fitsarana momba izany vola rehetra izany. Nilaza ny eo anivon’ny fitsarana fa tsy nampaka na nandray vola tamin’izany toe-javatra izany ny fitsarana fa mpisoloky izany nandray ny volan’ireto olona ireto izany. Noho io trangan-javatra io, nampanokatra fanadihadiana ny polisy ny fitsarana. Araka izany, nanao vela-pandrika avy hatrany ny polisy ka nantsoina sy nomena fotoana teo amin’ny fitsarana ilay mpisoloky ny alakamisy antoandro. Nolazaina fa vonona handoa ilay volabe takiny ireto olona voasolokiny ireto. Tonga tokoa izy ka noraisim-potsiny. Nilaza izy nandritra ny fanadihadian’ny polisy fa tsy mpitsara fa mpisoloky olona fotsiny. I Solo Constant, 42 taona ny tena anarany ary efa matetika izy no misoloky olona eo amin’ny fitsarana ka vola antapitrisany maro ny efa azony. Tsy misy tafaverina intsony ny vola lasan’ity jiolahy ity.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.