Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Any an-dakilasy : nitombo ny herisetra amin’ny ankizy

Any an-dakilasy  : nitombo ny herisetra amin’ny ankizy

Nitombo ny trangana herisetra ara-tsaina (ompa, fanambaniana samihafa…) mianjady amin’ny mpianatra any an-dakilasy rehefa nambara fa voararan’ny lalàna mihatra eto Madagasikara ny fanaovan herisetra ara-batana amin’ny ankizy, nanomboka ny taona 1996, araka ny vokatry ny fanadihadiana nasionaly natao momba ny herisetra atao amin’ny ankizy niarahana tamin’ny birao iraisam-pirenena momba ny zon’ny ankizy (BIDE) sy ny fanjakana ary ny Unicef. 2 523 ny isan’ny olona niantefan’ny fanadihadiana teny anivon’ny foibe 12 manerana ny Nosy. Nivoitra fa ny 50%-n’ny tanora nilaza fa niharan’ny herisetra tany an-tsekoly ary ny 29% amin’izy ireo manaiky fa fomba fifampifehezana any an-dakilasy ny kapoka. Ny 49% amin’ny mpanabe rahateo mihevitra ny herisetra eo amin’ny samy ankizy ho toy ny kilalao hifanaovana any am-pianarana.

Tsy any an-tsekoly ihany, hitrangana herisetra koa ao an-tokatrano, ankizy sivy amin’ny 10 nanontaniana no nilaza fa niharan’ny herisetra ara-batana ao anatin’ny fianakaviany. “Fomba mahazatra ny ray aman-dreny ny mikapoka ny zanany mihoatra ny 5 taona rehefa misy hadisoana na zavatra tsy nety nataony”, hoy ny mpikambana ao amin’ny BIDE, Rajoe Sbihi, omaly teny Antaninarenina.

 Mila fanofanana ny ray aman-dreny

Betsaka no tsy mahafantatra fa endrika herisetra iray ny fanompana na fanambaniana zaza iray. Misy voka-dratsy lehibe eo amin’ny fivoaran’ny zaza anefa izany amin’ny maha olona azy sy amin’ny fianarany. Mila tohana noho izany ny ray aman-dreny, mikasika ny fampahafantarana ireo zon’ny ankizy sy ny fisafidianana kazarana sazy hafa mifanaraka amin’ny taonan’ny zaza fa tsy voatery mikapoka na manompa.

Rehefa mahita tranga herisetra ny mpiray monina na ny fianakaviana, 4% ihany ny olona mitatitra izany eny anivon’ny mpitandro filaminana. Ho an’ny herisetra ara-pananahana na fanolanana, 19%  ny olona mampilaza eny amin’ny manam-pahefana.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.