Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsipy kanetibe : nahavita kianja mitafo ny klioba PAC

Tsipy kanetibe  : nahavita kianja mitafo ny klioba PAC

 Anisan’ny klioba nahavita dingana goavana ny pétanque ampitatafika club (PAC). Taorian’ny vokatra tsara azony, nahavita kianja mitafo ihany koa izy ireo, hahafahana mandray fifaninanana.

 Notokanana, ny asabotsy lasa teo, teny Ankadintany eny amin’ny kaominina Ampitatafika ny kianja mitafo, hahafahana milalao tsipy kanetibe. Vy nahitana sy angady nanana izany ny klioba pétanque club ampitatafika (PAC). Roa taona, ny nananganana izany, niarahana tamin’ireo mpanohana isan-tokony. Hahitana kianja miisa 8 ilay fotodrafitrasa, manaraka ny refy sy ny teknika, ara-dalàna. Ankoatra ny maha kianja mitafo azy, azo ilalaovana amin’ny andro alina, ihany koa.

Nambaran-dRakotoson Zo Heriniaina, filohan’ny PAC fa misokatra ho an’ny rehetra ny kianja, satria tsimialonjafy ny klioba. Na izany aza, tanjon’ny klioba ny hitaiza sy hanabe ireo tanora, amin’ny taranja tsipy kanetibe. Notsiahiviny fa herintaona sy tapany izao ny nitsanganan’ny klioba PAC, izay efa nandrombaka ny “1è tournoi international de Dakar”, tamin’ny alalan’i Hariliva (Ram’s) sy i Taratra ary i Lipo.

Ankehitriny, misy mpilalao 18 ao amin’ny PAC ka 16 ao amin’ny sokajy “senior” ary roa kosa “junior”. Misy mpanazatra iray sy mpanabe roa ao amin’ny pétanque ampitatafika club.   

Ezahin’ity klioban’Ampitatafika ity, ny handrombaka ny ho tompondakan’i Madagasikara, amin’ity taom-pilalaovana ity. Eny fa na hatramin’ireo fifaninanana iraisam-pirenena koa aza. Nankahery ny PAC, ny filohan’ny federasiona, tamin’ny kabary nataony ka nampirisika azy ireo, hanome sehatra misimisy kokoa ny taninketsa, izay fototry ny fahombiazana.

Ankoatra izay, nanolotra lelavola ho fanampiana ny klioba PAC, ny ben’ny Tanànan’Ampitatafika.

Nomarihin’i Zo Heriniaina fa afaka mandray ny ekipam-pirenena, amin’ny fampivondronana hataony, ny kianja mitafo eny Ampitatafika.

Teny filamatry ny klioba PAC ny hoe : “Firahalahiana, fikirizana, faharetana”.

Torcelin

Les commentaires sont fermées.