Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toliara II : ben’ny Tanàna maty notifirina

Toliara II  : ben’ny Tanàna maty notifirina

Maty notifirin’ny rangahy iray ny ben’ny Tanànan’ i Tsianisiha, Toliara II. Nitsoaka any anaty ala avy hatrany ilay nahavanon-doza nanoloana izany. Tonga teny an-toerana ny zandary nizaha ny zava-nisy. Tsy mbola hita popoka ilay nitifitra. Nanao ny fikarohana avy hatrany ny zandary. Tsy fantatra mazava ny antony nitifiran’ity rangahy ity an’ilay ben’ny Tanàna. Zavatra tsy mpiseho any an-toerana loatra ny tranga tahaka izao, ka  nahagaga ny olona. Toerana ambanivohitra rahateo no nitrangan’izany. Lonilony na mety valifaty ny nahatonga ity famonoana ity, raha ny tombatomban’ny olona.

Amin’ny ankapobeny, milamindamina ny any amin’ny kaominina Tsianisiha. Mahalana ny asan-jiolahy na asan-dahalo any an-toerana. Ny hisian’ny basy any am-pelatanan’olon-tsotra kosa anefa mampiseho ny fiparitahan’ny fitaovam-piadiana. Mety ho basy vitra gasy io na tena izy. Manao ny fanadihadiana ny borigady avy any Ankililaoka.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.