
Notontosaina ny 15 jona teo ny lanonam-panjakana ho fankasitrahana ireo mpiasa eo anivon’ny serantsambon’i Toamasina. 171 izy ireo, nomena mari-boninahitra isan-tsokajiny avy : chevallier, officier, ary ny commadeur de l’ordre national. 38 ireo nomena commandeur de l’ordre national, anisan’izany ny tale jeneralin’ny Sapt, i Avellin Christian Eddy.
Nambaran’ny tale jeneralin’ny Spat nandritra ny fandraisam-pitenenana nataony fa tratra ny tanjona ho an’ny seranantsambo, satria efa hirosoana tsy ho ela amin’ny asa fanitarana ny fotodrafitrasa. Midika izany fa hisy ny asa vaovao. « Endrika iray fitiavan-tanindrazana ihany koa ny fikarakarana ny maha olona, miara-misalahy, miantoka ny fampandehanan-draharaha, indrindra amin’izao ankatoky ny fetim-pirenena izao”, hoy i Avellin Christian Eddy.
Nitarika ny lanonana ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Ralava Beboarimisa, notronon’ny prefet-n’ i Toamasina, i Banandrasana Cyril, natrehan’ireo mpiasa sy olona nasaina avy amina sehatra isan-karazany.
Sajo
Les commentaires sont fermées.