Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

“School Tournament Fiba 33” : nanao pao-droa ny SFX Antanimena

“School Tournament Fiba 33”  : nanao pao-droa ny SFX Antanimena

Nifarana, ny asabotsy lasa teo, teny amin’ny kianja St Michel Amparibe, ny andiany voalohany, amin’ny basikety lalaovina olona telo “school tournament fiba 33”, natokana ho an’ireo mpianatra, amina sekoly tsy miankina sy katolika.

Nisongadina ny SFX Antanimena, nanao pao-droa. Norombahiny avokoa mantsy ny sokajy U15 vehivavy sy ny U18 lehilahy. Teo amin’ny U15, lavon’izy ireo teo amin’ny famaranana, ny Rossignols Ambohimanarina. Ho an’ny tovolahy indray, adin’ny samy Antanimena. Resin’ny SFX ny Esca.

Nifampizarana kosa ny amboara ho an’ny U18 vehivavy, lasan’ny Akamasoa rehefa nandavo ny Rossignols, teo amin’ny famaranana. Toy izany koa ny teo amin’ny U15 lehilahy, norombahin’ny LSFA Anosivavaka, nandavo ny SFX Antanimena.

Ankoatra ny amboara sy ny fanomezana nomen’ny Telma, ireo mpandresy, notoloran’ny federasiona mlagasy, amboara manokana ihany koa ny kolejy Md Misely, tamin’ny fampiantranoana, ity dingana famaranana ity.

Fahombiazana, ity andiany voalohany ity. Hitohy fa tsy hijanona eo ny “school tournament Fiba 33”.

Torcelin

Les commentaires sont fermées.