Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rugby – «Donan’ny samy ngeza» : lasan’ny FTM sy ny TFMA ny 1 tapitrisa Ar

Rugby – «Donan’ny samy ngeza»  : lasan’ny FTM sy ny TFMA ny 1 tapitrisa Ar

Nifarana, omaly teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny andiany voalohany amin’ny «donan’ny samy ngeza», taranja rugby. Fihaonana, nokarakarain’ny fikambanana Les As 38. Norombahin’ny TFMA Ankasina (Boaikely manohitra) sy ny FTM Manjakaray (Dakar), ny lelavola 1 tapitrisa Ar sy ny omby mifahy ary ny amboara, natolotra tamin’izany.

Samy niady avokoa ny lalao famaranana anankiroa, tamin’ity fihaonana ity. Teo amin’ny famaranana voalohany, lavon’ny TFMA, tamin’ny isa tery, 27 no ho 23 ny TFA Anatihazo (Pilo kely). Nangotraka tokoa ny fifandonana teo amin’ny roa tonta, satria nifanenjehana hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany, ny lalao. Na izany aza, mafimafy ny fifandonana ka niraradraraka ny karatra mena, navoakan’ny mpitsara. Roa ho an’ny TFA, raha iray kosa ny an’ny TFMA.

Nitovitovy ny fomba filalaon’ny roa tonta, izay fileovana mifankahafantatra tsara. Efa tany amin’ny 10 mn tsy hiravana anefa vao tafavoaka ho mpandresy ny Ankasina, tamin’ity.

Teo amin’ny famaranana faharoa, izay tena nandrasan’ireo mpijery tonga maro teny an-toerana, nifanandrinan’ny 3FB sy ny FTM Manjakaray.

Ekipa goavana no nifanandrina ka samy nampiseho endri-dalao mahafinaritra ny andaniny sy ny ankilany. Na izany aza, rava tsy lera ny fihaonana satria nandà tsy nety hanohy ny lalao intsony ny 3FB, teo amin’ny minitra faha-70. Nitsara baoliana mantsy izy ireo, saingy nolavin’ny mpitsara ho tsy maty izany, ka teo no nialan’izy ireo ny kianja, izay efa nanomboka niha-maizina. Nitarika an’isa, 30 no ho 20 teo ny FTM.  Na resy aza ny 3FB sy ny TFA, samy nomen’ny mpikarakara lelavola 1 tapitrisa Ar,  avy ihany koa.

Tompondaka

 

Les commentaires sont fermées.