Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Lozam-pifamoivoizana teto an-drenivohitra : olona iray maty, vazaha iray voadonan’ny taxi-be

Lozam-pifamoivoizana teto an-drenivohitra  : olona iray maty, vazaha iray voadonan’ny taxi-be

Nisesy lany ny lozam-pifamoivoizana teto an-drenivohitra, omaly. Teny Vasacoss sy Pochard no nisehoan’izany, izay nahafatesana olona iray. Vazava iray koa naratra mafy nodomin’ny taxi-be.

Nahafaty olona ny lozam-pifamoivoizana niseho teto an-drenivohitra, omaly. Olona iray maty teny Vasacoss, lehilahy 32 taona. Samy omaly vao maraim-be avokoa ireo. Vazaha iray tokony ho 56 taona ihany koa niharan-doza teo amin’ny Pochard, teo anoloan’ny vavahadin’ny Madarail, omaly hariva. Ity farany izay nodomina taxi-be 105 iray. Toy ny nihodina tampoka ilay taxi-be ka voadona ilay vazaha nandeha moto. Nipitika niankavia ny moto raha nipitika niankavanana ilay vazaha. Torana tsy nahetsika intsony izy io, ary latsaka hatramin’ny amaniny. Nitangorona ny olona nahita izany, nivoaka haingana ny polisy tao amin’ny madarail. Notanana ilay mpamily ary nasaina niala ireo olona nitangorona izay tsy fantatra intsony ny mpijery sy ny mpanararaotra. Nalefa tany amin’ny hopitaly ilay vazaha, raha notazonina ilay taxi-be sy ilay moto. “Toy nisy nisioka ilay mpamily ary niherika. Nivily tampoka ilay taxi-be ka nifatratra tamin’ilay moto”, hoy ny fitantaran’ny mpandeha ilay taxi-be 105.

Ilay tovolahy teny Vasacoss vaky ny lohany ka io no nitarika ny fahafatesany. Araka ny vaovao voaray, mpandeha tamin’ny fiara Hyundai izy io. Olona efatra izy ireo tao anaty fiara, nidona tamin’ny andrin-jiro. Samy naratra avokoa ireo fa maty ilay mpamily rehefa tonga teny amin’ny hopitaly. Volaza fa handeha ho any 67ha izy ireo. Nandeha mafy ny fiara, izay efa mamomamo ireo mpandeha ary izao nifatratra tamin’ny andrin-jiro izao. Tonga teny an-toerana ny polisy.

Razana iray teny Anosibe

Nisy razana iray hita koa teny Anosibe, omaly, tokony ho tamin’ny 4 ora maraina. Lehilahy 46 taona handeha hiasa maraina izy io, kanjo izao maty teny an-dalana izao. Tsy fantatra mazava ny antony nahafaty azy. Nisy ny nilaza fa nodomin’ny fiara izy io. Ny teo anivon’ny mpitandro filaminana milaza ho tsy mahalala ny fisian’ny lozam-pifamoivoizana teny Anosibe. Efa ao amin’ny tranom-paty HJRA ny razana.

Anisan’ny mampitaraina ny olona koa ny afitsoky ny taxi-be, izay mahavanondoza toy ity teny amin’ny pochard ity. Tsy mijery fiara na moto rehefa hivily na hiala amin’ny fiantsonana izay mampitera-doza. Eo ihany koa ny fifanenjehana sy ny fisongonana tsy manara-dalàna. Misy ihany ny mpitandro filaminana manasazy sy manafay azy ireny, kanefa indraindray mandeha ho azy tazanim-potsiny ny tsy fanarahan-dalàna.

Yves S.

 

Les commentaires sont fermées.