
Afaka mamokatra nanomboka ny faran’ny herinandro teo ny toeram-panodinana sy fanamainana voankazo sy legioma eo anivon’ny toeram-pandraisana ankizy manana fahasembanana ara-tsaina, Les Orchidées Blanches Androhibe. “Ny taona 2016 no nisantarana ny tetikasa fa izao vao tomombana avokoa ny fotodrafitrasa sy ny fitaovana enti-miasa”, hoy ny tomponandraikitra ny fikambanana. Miara-miasa amin’ny fikambanana ny orinasa Patemad, efa mpamokatra voankazo sy legioma maina. Nanofana ny ankizy ao amin’ny Orchidées Blanches izy ireo hifehy ny dingana rehetra ilaina.
Nanokatra toeram-pivarotana ny vokatra voankazo sy legioma maina koa ny fikambanana ho fanomezan-danja ny asa vita sy ho fanampiana ny vola miditra.
Vonjy A.
Les commentaires sont fermées.