Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – «Mondial 2018» : nianjera ny Mannschaft, tompondaka eran-tany

Kitra – «Mondial 2018»  : nianjera ny Mannschaft, tompondaka eran-tany

 Hitrangan’ny vokatra tsy ampoizina ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany “Mondial 2018”, taranja baolina kitra. Hita mantsy fa saika sahirana avokoa ireo ekipa vaventy. Anisan’izany ny Mannschaft Alemà, tompondaka eran-tany, farany.

 Mitohy hatrany ny fifanintsanana isam-bondrona, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja baolina kitra “Mondial 2018”, eo amin’ny baolina kitra. Fihaonana, tanterahina any Rosia. Raha eo amin’ny vokatra, saika sahirana avokoa ireo ekipa heverina fa goavana. Anisan’izany, ny Arzantina sy i Alemaina.

Raha ho an’ny Alemaina tompondaka eran-tany farany aloha, dia tojon’ny tsy nampoizina ry zalahy satria lavon’i Meksika, tamin’ny isa tokana, 1 no ho 0, izy ireo, omaly. Baolina tokana, tafiditr’i Hirving Lazano, teo amin’ny minitra faha-35.

Nanindry avy eo ny alemà, saingy tsy nety nahatafiditra baolina mihitsy ry Ozil, sy ny namany.

Tetsy an-kilany, voatazon’i Islande, ady sahala 1 sy 1 ihany koa i Arzantina. Nivoaka sempotra kosa vao naharesy an’i Aostralia, ny frantsay, nisaraka tamin’ny isa tery, 2 no ho 1.

Ho an’ny kaontina afrikanina, tsy nisy niangana aloha hatreto ireo ekipan’i Afrika, efa nahavita ny lalao voalohany, amin’ity fifanintsanana isam-bondrona ity.

Raha tsiahivina, lavon’i Kroasia, tamin’ny isa mazava, 2 no ho 0, ny voromaherin’i Nizeria, ho an’ny sokajy “D”. Maraoka, resin’i Iran, tamin’ny isa tokana 1 no ho 0, ho an’ny sokajy “B” ary Egypta indray resin’i Orogoay, ho an’ny vondrona “A”.

Andrasana kosa amin’ity alatsinainy ity, ny fidirana an-tsehatry ny Tonizianina, izay hifandona amin’i Angletera, ho an’ny sokajy “G”. Rahampitso talata ny senegaly, hifanandrina amin’i Polonina, ho an’ny vondrona “H”.

Tompondaka

 

Les commentaires sont fermées.