Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo ; Resaky ny mpitsimpona akotry : mandady amin’ny manjoko

Romodromitra ihany ny vahoaka nanetri-tena tamin’ny fahazotoana nanatevin-daharana ho fahombiazan’ny hetsika notarihan’ireo solombavam-bahoaka 73. Tsy vitan’ny fiheverana ny maha rariny ny anton’ilay tolona ka nanantena fandresena arak’izay, fa efa nino mihitsy fa efa teo ampelatanany ny fandresena tao aorinan’ilay fanapahan-kevitra noraisin’ny HCC. Kanjo tsy toy izay ny fisehon’ny raharaha araky ny fijerin’ny mafana fo eo amin’ny 13 Mai, mbola ny tropin’ingahy Hery Rajaonarimampianina ihany no nahazo vahana ao anatin’ilay governemanta voalaza fa niombonan-kevitra teo amin’ny fandrafetana azy. Nahatsiaro tena voafitaka sady kamboty ny mpitolona eo amin’ny 13 Mai. Efa nihevitra ho tsy refesimandidy izy ireo, ka vonona andeha ho eny Mahazoarivo tsy vitan’ny hitaky fanazavana fa hanome baiko mikasika ny fanongotana minisitra HVM, toy izany koa ny antony tamin’ny faahsahina nampiantso an’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina hifanatrika aminy ampahibemaso. Araky ny fifandinihana nifanaovana teo amin’ny 13 Mai dia nahatsapa ny mpitarika sisa nanamborana teo sy ny vahoaka fa nisy fitaka ny tsy fanambarana taminy ny mikasika ny fifanamboarana mangina tany ambadika mikasika ny fitsinjaran-toerana tao amin’ny governemanta. Ny namana voatendry minisitra moa dia nankasitraka ka tsy niambahamba namonjy fialokalofana any amin’ny minisitera natolotra azy ary tsy nahenona feo firy nanakina ny fandrasana vilana, etsy ankalamanjana anefa ny tsy fankatoavana no nanjaka, nety nanampy trotraka koa ny alahelokanin’ireo tsy nahazo toerana nefa nihevitra ny tenany mendrika ny fahalasanany ho minisitra.

Mody tsy taitran’izany tranga izany ny Praiminisitra ary nararaotiny anomezana hiraka an’ireo minisitra mba hanaovan’izy ireto adidy ny fandresen-dahatra an’ireo namany hitandrina tsy hihoa-pefy. Tonga saina tokoa moa ireo mpitarika an’ity hetsika ity raha nanandrana fanaovana tolona mahery fihetsika niaraka tamin’ny mpianantra eny Ankatso, misy fetra ny fanaovana hetsika ny sangy mihoatran’ny loha dia mety itarika fisehon’ny korontana tsy hay fehezina ka mety hitera-doza ho an’ny firaisa-monina.

Tsy afaka hihemotra ka handiso fanantenana fanindroa an’ireo mafana fo izay efa nihena aman’isa etsy amin’ny 13 Mai, tsy sendra manta vary ka andevin-tsotrobe fa anova fihetsika, ary araky ny maha olona manan-tsaina dia fitakina an-taratasy no hatao arakaraky ny maha maro ny olona misonia an’izay fitakina izay no hananan’izy ity lanja. Ho an’ny valiny dia andraso eo Paoly.

Léo Raz

Les commentaires sont fermées.