Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hetsika etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey : takin’ny depiote ny fialan’ny filoha sy ireo minisitra HVM

Hetsika  etsy amin’ny kianjan’ny 13  mey  : takin’ny  depiote ny fialan’ny filoha sy ireo minisitra HVM

 Nitohy ny faran’ny  herinandro  teo ny hetsika  etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey. Navoitran’ireo nifandimby nandaha-teny fa mitohy ny tolona ho amin’ny fitakiana ny fialan’ny filoham-pirenena  sy ireo minisitra HVM.

Efa mikatso  aloha  izao  ny ankamaroan’ny fampandehana-draharaha eny anivon’ny asam-panjakana. Nahemotra  sy notakinay tsy hirosoana koa aloha ny fandinihana ny fanitsiana  ny  tetibola. Efa fandresena izany ho amin’ny fitakiantsika ny hialan’ireo minisitra sy ny filoha Rajaonarimampianina”, hoy izy ireo. Nanterin’izy  ireo fa  ilana vola  ny asam-panjakana,  saingy tsy avela hoviravirain’ny mpitondra  mpanao kolikoly izany ka antony nanemorana ny  fandinihana izany eny Tsimbazaza.

Ankoatra  izany,  notanisain’izy ireo  ho anisan’ny efa nikatona ny biraon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena,  ny Fampianarana ambony  ary ny eo anivon’ny minisiteran’ny  Fahasalamana.

Etsy andaniny, nanome toky ny Praiminisitra Ntsay Christian fa efa vonona ho amin’ny fifampiresahana  sy fifampidinihina amin’ny hanesorana  ireo minisitra HVM eo anivon’ny governemanta tarihiny, araka ny tatitry ny depiote ihany. “Ho hitantsika eo  izany amin’ny alatsinainy  izao (anio). “Vonona ny tenany hiara-kiasa amin’ny  depiote  ho an’ny fanovanana  ary hanala ireo minisitra HVM. Tsy mendrika ho  eo ireo ka hojerentsika  ny lalana  rehetra hanesorana azy ireo”, hoy  ihany izy ireo.

Hotakina amin’ny  HCC ny  hanonganana ny filoha

Hanamafisana  izany ny nanaovan’ny vahoaka sy ny sendikà ary ny depiote sonia ilay taratasy fanadiovana ny governemanta. Mbola eo hatrany  koa ny fitakin’ny depiote  ny hialan’ny filoham-pirenena. “Tsy tanteraka sy tsy narahina  ny didin’ny HCC  momba ny fandrafetana ny governemanta ka hangatahantsika  indray ny hanonganana azy.  Azo atao izany”, hoy ny depioten’ny fanovana.

Araka  izany, hitohy ny hetsika etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey. Mety haka fanapahan-kevitra amin’ny hatao  izy ireo, anio.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.