Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Handball : nodimandry i Mohamed Saleh

Handball  : nodimandry i Mohamed Saleh

Misaona ny tontolon’ny fanatanjahantena, indrindra ny taranja handball eto Madagasikara. Fantatra mantsy fa nodimandry, teo amin’ny faha-70 taony, ny asabotsy 9 jona lasa teo, tany Frantsa, i Maître, Mohamed Saleh. Olona tsy zovina ary tsy nisy tsy nahalala an’i Mohamed Saleh, raha eto Madagasikara na tatsy Afrika na tao amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina. Mpanao fanatanjahantena, nanana ny lazany sy ny fahaizany. Anisan’izany, ny teo amin’ny sehatry ny baolina kitra, ny volley-ball, ny basikety ary indrindra fa ny handball, izay taranja tena nampamiratra sy nampalaza azy, teto Madagasikara.

Nirehareha, tamin’ny naha Malagasy azy, ny Me Saleh, izay niofana ho mpanazatra ka lasa nanabe ihany koa rehefa tsy niakatra kianja, intsony. Maro ireo tanora novolavolainy, manerana an’i Madagasikara ka lasa mpilalao goavana ankehitriny, raha tsy hilaza afa-tsy i Bôbô, mpiandry tsatobin’ny St Michel, taranja handball, teo koa ry Naguib, izay efa mipetraka any Etazonia ankehitriny sy ny hafa.

Olona tsotra nefa entitra amin’ny zavatra nataony, ny Me Saleh. Tsy mba manavakavaka fa olona feno.

Mahatsiaro banga ny fanatanjahantena malagasy, nilaozan’ny Me Saleh. Ny tenany anefa no maty fa ny zava-bitany, napetrany ho an’ireo zandry mahaleo, mahalasana.

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.