Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fifidianana : sakana ny tsy fifampitokisan’ny mpanao politika

Fifidianana    : sakana ny tsy fifampitokisan’ny mpanao politika

 “Ny tsy fifampitokisana eo amin’ny samy antoko sy ny mpanao politika no tena sakana goavana”, hoy ny filoha lefitry ny Ceni, Rakotonarivo Thierry.

Eo ny tsy fifampitokisana manodidina ny lalàna hitondrana ny fifidianana, ny tsy fifampitokisana ny mety hampiasan’ny sasany eo amin’ny fitondrana ny mety ho fombafomba hisian’ny hala-bato, ny tsy fifampitokisana amin’ny filazan’ny sasany fa tokony hisy aloha ny fampihavanam-pirenena sy ny fanorenana ifotony…

Tsy mieritreritra ny mety hisian’ny fihemoran’ny fanatanterahan’ny fifidianana, ny Ceni, raha tsy misy ny fifanarahana politika hafa indray. Tsy maintsy manatanteraka ny lafiny teknika sy ny lalàna ny Ceni. Milaza ny lalàna fa aroso mialoha ny fotoana ny fifidianana, mialoha ny 25 novambra izany.

Mila heno avokoa ny olana sy ny ahiahy

Tanjona ny hikarakara fifidianana madio, mangarahara, ary hanome vokatra eken’ny rehetra. Tsy ho tratra izany, raha tsy heno avokoa ireo olana amin’ireo mpisehatra tsirairay avy.Eo koa ireo mety ho ahiahy tsy ihavanana eo amin’izy ireo, mety hitarika tsy fifampitokisana manodidina izany fifidianana izany.

Voarain’ny Ceni tamin’ny fakan-kevitra ny olana sy ahiahy, ary ezahiny ny handinika sy hitondra vahaolana amin’ny tandrify azy. Amin’ny olana tsy tandrify azy kosa, halefany any amin’ny sehatra tokony hahavaha izany.

Tsy ny mpanao politika sy ny firaisamonina sivily ihany no ifampiresahan’ny Ceni, fa eo ireo andrimpanjakana. Efa vita, ohatra, ny an’ny HCC, ny an’ireo mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika. Miandry ny fihaonana farany hiarahana amin’ny governemanta izao ny Ceni.

Aorian’ny fihaonana rehetra no hahazoana manapaka ny tetiandrom-pifidianana.

R. Nd.

Les commentaires sont fermées.