
Ho kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny filohan’ny Antenimierampirenena sady avy amin’ny Leader fanilo, Rakotomamonjy Jean Max, raha ny fanazavan-dresaka nandritra ny famoriany tangalamena sy vavanjaka ary ny mponin’ i Toamasina ny asabotsy teo. Nambarany koa fa tsy manana minisitra na iray aza eo anivon’ny governemanta vaovao ny Leader Fanilo. « Andrakitray ny handrotsaka olona amin’ny fifidianana rehetra hatao eto amin’ny firenena” hoy ihany izy. Nohamafisin’ ity filohan’ity Andrimpanjakana iray eto amin’ny firenena ity fa mbola indray mandeha izy no nahazo toerana notendrena. « Saika fiatrehana fifidianana hatrany no nandraisanay ny fitantanan-draharaham-panjakana. Efa
voafidy ben’ny Tanàna tao Andapa. Mpanolontsaim-paritany ihany koa ary depiote. Voafidy ho filohan’ny Antenimierampirenena avy eo. Efa voatendry ho minisitra fony fitondrana Tetezamita. Antony ilazako izany fa fifidianana no mety amiko”, hoy ihany izy.
Ankoatra izany, niaiky ny tsy fahombiazan’ny fampandaniana lalàm-pifidianana amboletra nahatonga ny olana teo amin’ny raharaham-pirenena ny tenany. “Ekena fa maro ny vahoakan’ny kianjan’ny 13 mey. Tsy vahaolana anefa ny famoriam-bahoaka isan’ andro fa tokony hirosoana ny dinika hamahana ny olana”, hoy Rakotomamonjy Jean Max.
Sajo
Les commentaires sont fermées.