Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fifandraisan-davitra : nosokafana ao Fianarantsoa ny 4G Orange

Fifandraisan-davitra  : nosokafana ao Fianarantsoa ny 4G Orange

Mahazo vahana ny fivoaran’ny teknolojian’ny fifandraisan-davitra. Ny 15 jona teo, nosokafana ao Fianarantsoa ny 4G Orange Madagascar, notarihin’ny tale jeneraly, i Michel Degland, notronon’ireo manam-pahefana any any an-toerana.

Manambara ny maha tanàn-dehibe iray azy iankinan’ny toekarena eto amin’ny Nosy i Fianarantsoa, noho izy eo amin’ny lalam-pirenena faha-7 sy maha renivohitry ny divay azy. Ao koa ireo sehatry ny toekarena maro, toy ny fambolena; ny indostria, anisan’izany ny fanamboarana fiara Karenjy; ny asa tanana, ary ny varotra. Samy manome aina ny toekarena ny faritra manodidina avokoa.

Koa vaovao lehibe ho an’ny fandraharahana izao fahatongavan’ny 4 G ao Fianarantsoa izao, hahazoan’izy ireo manavao ny asany. Manampy ny orinasa rehetra, lehibe, salantsalany, na madinika, ho fantatra manerana izao tontolo izao ; manosika ny fizahantany ihany koa.

Afaka nampiasa ny 4G ny mpandraharaha ao Fianarantsoa io hariva io, fotoana ihany koa nandraisan’ny Orange ny hetahetan’izy ireo, hitondrana vahaolana hampandrosoana ny sehatra trandrahiny avy. Manome tolotra tsara ho an’ny mpanjifa izany.

Nohararaotin’ny tale jeneralin’ny Orange koa ny fihaonana tamin’ireo mpianatra manaraka ny taranja informatika sy nomerika. Maro amin’ireo manampahaizana amin’izany taranja izany no nivoaka avy ao amin’ny Oniversiten’i Fianarantsoa noraisin’ny Orange Madagascar, noho ny fahaizan’izy ireo mampihatra izay norantovina.

Mitondra ny fahaiza-manaony sy ny traikefany hatrany ny Orange ho an’ny fampandrosana ny fifandraisan-davitra. Ho fampandrosoana lehibe ho an’ny toekarena sy ny sosialy eto amin’ny firenena”, hoy i Michel Degland. Mitohy hatrany ny fametrahana ny 4G manerana ny Nosy ataon’ny Orange Madagascar. Nosokafana miaraka amin’izany ao Fianarantsoa ny “programme #SuperCodeurs », atao hanampy ny ankizy 9 hatramin’ny 14 taona, handray anjara maimaimpoana amina atrikasa manomana  azy ireo amin’ny informatika.

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.