Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

« Fetin’ny mozika » : samy nahazo ny anjarany ny rehetra

« Fetin’ny mozika »  : samy nahazo ny anjarany ny rehetra

Nanjakan’ny mozika iny faran’ny herinandro iny. Na ny 21 jona aza ny tena « Fetin’ny mozika », natao ny asabotsy teo ny fanamarihana izany, tetsy amin’ny Alliance française (AFT) Andavamamba. Azo lazaina ho mendrika sy niavaka ary nanome lanja ny atao hoe « mozika » amin’ny maha kanto azy ny hetsika.

Tsy navahana fa samy nomena lanja avokoa ireo fironana malaza amin’izao fotoana izao. Nentina tamin’ny sehatra telo samihafa izany, tao amin’ny AFT. Natokana ho an’ny mozika mafana na mozika tropikaly ny « sehatra Havozo », ao amin’ny ilany atsinanana.

Ny tena nahavariana sy tsy nampoizina, maromaro ireo mpanakanto nitondra feo sy feon-javamaneno hafa noho ireo heverina ho mozika mafana, ankehitriny. Anisan’izany, ohatra, ry Toph Rebel sy ry Volahasiniaina. Tsy vitsy ireo namantatra ny talentan’izy ireo tamin’iny fotoana iny, na tanora na ankizy.

Nahaliana sokajina tanora sy olon-dehibe hafa koa ny nitranga tao amin’ny « sehatra Veromanitra », tao amin’ny ilany andrefana, natokana ho an’ny mozika ankehitriny. Anisan’ireo artista efa fanta-daza nanafana ny sehatra tao ry Mafonja sy ry Kristel.

Ny tena nahasarika ny tanora, ny tao amin’ny « sehatra Ravintsara », tao ao amin’ny efitra anatiny, nafanain’ny DJ sy ny mpanakanto malaza maro, samy ankafizin’izy ireto, toa an-dry Tsekmah sy ry ADR. Tao koa anefa ireo mpanao rap zokiny, tsy mbola lefy laza, toa an-dry Takodah sy Ngah B, ry Rapadango, sns.

Nisongadina tao anatin’ireo rehetra ireo ny fiarahan’ny mpinamana, ny mpianakavy, ny mpifankatia, sns, nifaly sy nisotro ary niaina tanaty mozika.

Landy R.

 

Les commentaires sont fermées.