Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Faritra arovana ao Bemaraha : arahana mpitandro filaminana ny fiaran’ny mpizahatany

Faritra arovana ao Bemaraha  : arahana mpitandro filaminana ny fiaran’ny mpizahatany

 Ho fiarovana ny mpitsidika sy ny mpiasa mampihodina ny valanjavaboary, nandray fepetra  vaovao amin’ny fomba fiasa ny Madagascar National Parks. Amin’ny sytème de paiement électronique (TPE) no handoavana ny saran’ny fidirana mitsidika ireo valanjavaboary samihafa. Tanjona ny tsy hikirakirana vola mivantana sy handrisika ny mpizahatany tsy hitondra vola be eny aminy, mandritra ny fitsidihana ataony, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra ao amin’ny MNP. Efa mihatra io fepetra io ho an’ny valanjavaboary ao Isalo sy Bemaraha ary ao amin’ny faritra arovana any Avaratra (Montagne d’Ambre).

Nisantatra ny fampiharana ity fepetra ity, voalohany, ny faritra arovana ao Bemaraha ny volana novambra 2017. Afaka mividy ny tapakila fidirana ao amin’ny trano fandraisam-bahiny ao Morondava ny mpitsidika. Taorian’ny tranga fanafihana maromaro niseho amin’ny lalàna mitondra any amin’ny valanjavaboary, azo atao ny manefa ny saran’ny fitsidihana rehetra amin’ny alalan’ny finday.

Ho fiarovana ny mpitsidika, naroso ho amin’ny 3 ora tolakandro ny ora fikatonan’ny fitsidihana ny valanjavaboary ao Bemaraha. Misy mpiasa manokana manara-maso ny fidirana sy ny fivoahana amin’ny faritra arovana.

 Nisy fepetra vaovao napetraka 

Nisy ihany koa fivoriana tao Bekopaka, momba ny fandriampahalemana niarahana amin’ny tomponandraikitra eny ifotony sy ny Ofisim-paritra misahana ny fizahantany ary ny mpitandro filaminana any an-toerana. Tapaka fa hapetraka ny fanaraha-maso ny tanàna rehetra miorina manamorina ny faritra arovana miaraka amin’ny zandary. Fepetra faharoa, ny fiarahan’ny fiara rehetra mandeha ary misy mpitandro filaminana miaraka amin’izy ireo.

Na teo aza ny fisehoana tranga fanafihana niseho, tsy nahasakana ny mpitsidika hanohy ny diany izany. Mihodina toy ny andavanandro ny asan’ny faritra arovana fa kosa ampiharina ny fepetra tapaka rehetra hanamafisana ny fandriampahalemana.

Ho fanatsarana ny fiasa, hitarina amin’ny faritra arovana any Ranomafana, Ankarafantsika, ankarana ny fampiasana ny TPE ho fiarovana ny mpitsidika.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.