Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

« Carnaval de Madagascar » : nifanotofana ny sakafo, nandrasan’ny maro ny mozika

« Carnaval de Madagascar »  : nifanotofana ny sakafo, nandrasan’ny maro ny mozika

Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny andiany fahefatra amin’ny « Carnaval de Madagascar ». Anisan’ny nisongadina ny nahandro na ny sakafo avy any amin’ny faritra. Teo koa ny fahamaroan’ny tanora tonga nankafy ireo fampisehoana lehibe roa.

Niova lasy ny « Carnaval de Madagascar » tamin’ity taona ity ka raha teny amin’ny araben’ny Fahaleovantena no nifamotoana, teo aloha, nafindra teo anoloan’ny kianjan’i Mahamasina izany. Natao ho roa andro ihany koa ireo hetsika samihafa. Na izany aza, tsy niova ny tanjona sy ny votoatin’ny hetsika : ny haneho sy hampahafantatra ny kolontsaina isam-paritra ary ny hamalifaly sahady ny ankizy, amin’izao ankatoky ny fetin’ny Fahaleovantena izao.

Azo lazaina ho nisongadina kokoa ny « Carnaval de Madagascar », tamin’ity andiany ity, raha ity toerana vaovao ity no asian-teny. Mazava sy voafaritra ny fidirana tao an-toerana. Nanaitra ny maso sy nahaliana avy hatrany koa ireo vavahady, niarahabana ny rehetra. Miavaka tsara koa ny faritra natao ho an’ny varotra fampirantiana na « Tsenaben’ny faritra », ny toeram-pisakafoana, ny toeram-pilalaovana, ny sehatra ho an’ny mozika.

Mikasika ny « Tsenaben’ny faritra » izay toerana nahafahan’ny faritra tsirairay nampahafantatra sy nivarotra ny vokatra mampalaza azy, anisan’ny nisongadina ny vokatra fanao sakafo. Nifanotofana, ohatra, ny koba, mampalaza an-dry zareo eny Talata Volonondry. Toy izany koa ny sakafo vita amin’ny voanio avy any avaratry ny Nosy. Tsy ny sakafo ihany, nahaliana koa, ohatra, ny menaka kinana na « huile de ricin » avy any Anosy.

Ankoatra ireo rehetra ireo, nahaliana ny ankizy ny lalao isan-karazany sy ny tsakitsaky samihafa. Nahavariana ny filaharam-be na ny « carnaval », nanehoana ny kolontsaina sy ny filatro mampiavaka ny faritra ary koa ireo karazana kanto an-dalambe.

Ny asabotsy tolakandro, marobe ny tanora (lavavolo, na farafaharatsiny, niakanjo mainty) ,efa « nihainohaino » teny amin’ny manodidina na koa niandry nanoloana ny sehatra. Nandrasan’izy ireo fatratra ny fampisehoana nataon’ny tarika Mage4, izay tena nafana tokoa. Toy izany koa ny niarahana tamin’i Samöela, omaly tolakandro.

Landy R.

 

Les commentaires sont fermées.