Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Andramasina : manesy trano sy fivarotana ny jiolahy mpanafika

Andramasina  : manesy trano sy fivarotana ny jiolahy mpanafika

Misesy lany ny fanafihan-jiolahy any Andramasina. Ny 15 jona lasa teo, tamin’ny 11 ora alina, tany amin’ny fokontany Ankozona, Andramasina, jiolahy enina nitondra FC sy P.A nanafika toeram-pivarotana roa. Novakian’ireo ny varavarana, nidirany an-keriny ary nanao herisetra avy hatrany. Naratra tamin’izany ny tompon-trano ary nanao izay danin’ny kibony ireo olon-dratsy. Lasa tamin’izany ny vola 2 tapitrisa Ar niampy fitaovana maro tao amin’ny fivarotana voalohany. Vola 1.600.000 Ar kosa tao amin’ny fivarotana faharoa niampy ny firavaka volamena sy ny fitaovana samihafa.

Tany amin’ny fokontany Andohariana, Andramasina ihany ny fanafihana faharoa, mbola tamin’ny 11 ora alina ny 15 jona ihany. Jiolahy 10 nirongo basy sy fitaovana hafa nanafika tokantrano iray. Novakin’ireo ihany koa ny varavarana nidirany tao an-trano. Tsy nahavita na inona na inona ny tompon-trano ka nanaiky mora foana izay notadiavin’ny jiolahy. Lasa tamin’izany ny vola 450.000 Ar niampy ordinatera, televiziona, bisikileta sns. Nandeha nitsoaka ireo jiolahy taorian’izay, ary tonga ny zandary. Nanao ny fanarahan-dia ireo niampy ny fokonolona tao an-tanana ka telo voasambotra. Nanao ny fandihadiana tamin’ireo fanafihana ireo ny borigady Andramasina.

Yves S.

 

Les commentaires sont fermées.