Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

« Alliance vanille » : misy an’ny Air Madagascar ny fiaraha-miasa

Nampiray feo tany Nosy Maurice, ny 15 jona teo, ireo filoha sy tale jeneralin’ny  kaompania mpitatitra an’habakabaka aty amin’ny ranomasimbe Indianina, ny Air Austral, ny Air Seychelles, ny Air Madagascar, ary ny Air Mauritius. Niara-nivory voalohany izy ireo : i Joseph Male, PDG-n’ny Air Austral ; i Somaskaran Thiagarajan Appavou, Air Mauritius ; Razafimaharo Besoa, Tale jeneralin’ny Air Madagascar ; ary i  Remco Althuis, Air Seychelles.

Nandritra ny fiarahan’izy ireo ny nanambarana ny fanamafisana ny fiaraha-miasa « Alliance vanille », efa novolavolaina ny taona 2015, ho fanatsarana ny fampifandraisana aty amin’ny faritra. Niarahan’izy ireo nanapaka tamin’izany ny famaritana saran-dalana mahasarika mpandeha ; ny fampifandraisana ny fandaharanasa ; ny fampitomboana ny tolotra homena ny mpandeha ; ny fampitomboana ny fiaramamanidina, sy ny fanatsarana ny seranam-piaramanidina.

Miainga avy amin’ireo laminasa nofaritan’ny efa-tonta ireo ny fanomezana fahafaham-po ny mpandeha rehetra aty amin’ny ranomasimbe Indianina, ifandraisan’ireo samy Nosy, sy fanamorana ny fandefasana entana. Ao anatin’ny fifanarahan’izy ireo koa ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra ho tombontsoan’ny Nosy efatra. Taorian’ny fivoriana, mbola voafidy filohan’ny « Alliance vanille », ny PDG-n’ny Air Austral, i Marie Joseph Male.

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.